Herinandron'ny hazo fihinam-boa

Natokana ho herinandron'ny hazo
fihinam-boa ity herinandro ity : 07 jona 2010 eto Madagasikara. Tanjona ny hametraka ny
hazo fihinam-boa amin'ny toerana tokony hisy azy hoy ny
tompon'andraikitra, ka sady endriky ny tanana no ho sakafo
ara-pahasalamana ary fiarovana ny tontolo iainana.

Nofinidy ho
fanombohana izany fankalazana izany ny faritra'Antsirabe, Antananarivo sy ny any Toamasina.

Tanjona kendrena kosa amin'ity herinandro
ity ny hahavitana mamboly hazo fihinam-boa 1000 fototra isaky ny
Kaominina amin'ireo faritra 22 misy eto Madagasikara.

AvyLavitra