Saina miloko avana natsangana ao amin'ny masoivoho amerikana.

Nihofahofa nanomboka omaly ao amin'ny masoivohom-pirenena amerikana eny Antehiroka, Antananarivo ny saina miloko avana, taorian'ny vono-olona nitranga tany Orlando, Etazonia, tamin'ny 12 jiona lasa teo, ary isan'ny hetsika fanamarihana ny Pride Month izay efa natomboky ny masoivoho ihany koa.

 

 

Nanambara ny lehiben'ny masoivoho, Robert Yamate, fa ny fahasamihafana dia singa hifampizaran'i Madagasikara sy Etazonia. Fanomezana iray lehibe izay mampiavaka manokana ny firenentsika roa tonta. Ka enga anie, hoy izy, ity saina izay natsangana androany ity ho porofon'ny finiavantsika miaraka hanome lanja ny fahasamihafana, hampiseho ny fahavononantsika hanaja izany, ary ny fahatsapantsika ny hery avy amin'izany fahasamifahana izany.