'Vata Sarobidy', rakitry ny 15 taonan'ny Codex teo amin'ny tontolon'ny rap.

 

 

 

 

 

 

Ety am-piandohan'ny taona 2016 no anoloran'ny Codex ho antsika ny "Vata sarobidy" nandraketan'izy ireo ny harena nilofosany nandritra ny 15 taona nilalaovany ny mozika rap. 

Raha maro ny tarika mivoy ny rap no re ombieny ombieny eny an-tsehatra sy amin'ny haino aman-jery dia tsy isan'izany loatra ny Codex na dia teo aza ny fiarahany miasa tamin'ireo goavana eo amin'ity sehatra ity, ka angamba hahaliana antsika ny hahalala bebe kokoa azy ireo.

Ny taona 2001 no niforonan’ny tarika ka i Fat Killah, Skyzo ary Radanz no nandrafitra azy nandritra ny herintaona teo ho eo. Nandalo kely tao ihany koa i Tantely (mpanao ragga). Ny taona 2006 no nanampy isa azy roalahy sisa tavela i Shyro, ary 2011 no niditra i Mili (mpihira). Codex no anarana nentin’izy ireo satria “raha miainga amin’ny dikany hita ao amin’ny rakibolana dia raisinay ho toy ny Diary ilay hoe CODEX, Diary mirakitra ny zavatra tsapanay, ny fahitanay ny zava-misy eto amin’ny fiaraha-monina”. Eo amin'ny lafin'ny mozika dia somary mirona amin’ ilay atao hoe boombap spirit, old school ny tarika.

Tany am-piandohana izahay somary niolonolona sy tsy dia tia nivantambantana, hoy izy ireo. Feno sarinteny sy niolakolaka ny tononkiranay”. Mahatsiaro tena ho matotra sy miha-mivelatra amin'ny manodidina anefa izy ireo ankehitriny ary hita taratra izany amin'ity rakikira ity, eny fa hatramin’ny gadona aza dia tsy nianona fotsiny tamin'ny Hip Hop fa miaro jazz, soul, bossa nova ary electro ihany koa.  

Ny politika, ny sosialy, ny fiainana andavanandro, ireo no tena voakasika amin'ny hira :

  • “…mitantara ny zavatra hitanay sy fantatray izahay fa tsy miampanga”, hoy i Fat Killah 
  • “…ny tena marina misy, misy ny zavatra hitanay mety, misy ny tsy mety , ireo no avoakanay ao anatin’ny mozikanay satria fa io no mba fitaovana anananay hanaovana izany”, hoy kosa i Shyro.

Nisy ihany koa ny fotoana nidiran’ny Codex tanatin’ny Nemesis, fiombonan’ny mpanao rap. Ho an’i Fat Killah dia isan’ny fihaonana nanamarika azy ny fihaonana tamin’i Wiz (mpanao rap) : "Samy niandry olona teo amin'ny CCAC taloha izahay, tsy nifankahalala, fa rehefa niresaka dia samy nahatsapa fa nitovy ny karazana mozika sy mpanao rap tianay, ka teo no nahatonga ny  Codex tafiditra tao amin’ny Nemesis. Nisy koa ny fifankahafantarana tamin’i Nical’s  (mpihira), izy no voalohany nanisy  “fiverenanana hiraina”  tamin’ny hiranay. Nanomboka teo no nampisy izany tanaty mozikanay fa tsy voatery ho rap ranoray foana”.

 Mialoha ny nidirako tao amin’ny tarika ny 2006,  fony mbola teny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra tany Antsirabe aho, dia nalaza be ny fanaovana « clash », ady rima, sns. Rehefa nirava avy nianatra izahay mpinamana no nifanao fotoana eo am-bavahady namonjy ilay toerana antsoina hoe « ambany regional » izay fanaovana ilay clash. Nivadika ady foana ny fiafaran’ny fihaonana ary izahay ilay nitsoaka foana, …ary izay mihitsy no nahitako traikefa amin’ny fomba fanehoan-kevitra hoe «mivantana fa tsy miolakolaka». Dia rehefa tafiditra tao amin’ny Codex aho dia lasa nivadika ho toy izay daholo ny fanoratry ny iray tarika, hoy ny tsiaron’i Shyro.

Hira 11 no anatin'ity “Vata sarobidy” ity, ny sasany nofantenana tamin'ireo 40 mahery nanamarika ny lalàna nodiavin’ny Codex, fa misy koa hira vaovao vitsivitsy. Ao anatin'izany ny hira niarahana natao tamin’ireo tovolahy mpanao rap toa an’i Tongue Nat, Elzo, Groove, ary ny feon’ny andriambavilanitra toa an’i Sam. Zarainay maimaimpoana, am-pitiavana ka manasa anareo handray azy am-pitiavana koa", hoy ny hafatr’izy ireo. [Tsindrio eto : CODEX ]

Ankoatra izay dia efa misy koa ny fikasana hamoaka hira an-tsary mihetsika, hiroso eny amin’ny vava sehatra amin’izay rehefa somary takotakona nandritra ny 15 taona.
Mandritra ity taona 2016 ity dia hisy ny hetsika hampahafantarana ilay rakikira « Vata Sarobidy ». Ny daty efa fantatra hatreto aloha dia ny tolakandron’ny 7 febroary izao, fandraisana anjara amin’ilay hetsika «END OF THE WEAK MADAGASCAR» karakarain’ny KOLONTSAINA MAINTY,  etsy amin’ny Ginger Coffee Club Soanierana – hetsika ahitana fifaninanana "freestyle" miampy fampisehoana mivantana.
Ny 4 jiona ny hetsika lehibe eny an-tsehatra, anatin'ny hampahafantarana misimisy kokoa ity sangan'asa ity, ary any amin’ny volana oktobra any ho any ny manaraka fa omena anareo miandalana eny ihany ny antsipirihany.

Eto dia tianay ny manamarika fa isan'ny fanamby ho an'ny Label M3 Free ny hampisondrotra hatrany ity taranja ity eto Madagasikara. Vokatra voalohany ny "Vata sarobidy" ary eo am-piandrasana ny manaraka isika (toy ny rakikiran'i Bambs).

Mirary soa hatrany anareo mitondra avo ny zavakanto ny RadioVazoGasy.