Lozam-piarakodia namoizana mpianatra 16 noho ny firehetan'ilay fiarabe.

Mpianatra romena 16 no namoy ny aina tao Verona, Italia avaratra, ny alin'ny 20 janoary lasa teo, raha niharan-doza ka nirehitra mihitsy ny fiarabe nitondra azy ireo nitodi-doha hody any Romania rehefa avy nanao fivahiniana tany Frantsa.

Nisy mpampianatra iray tena voa mafy noho izy niezaka namonjy ny hafa arak'izay afany. Efa-mianaka izy no nandeha tamin'ity fivahiniana ity saingy indrisy fa isan'ny tsy voavonjiny ny zanany roa mianadahy, indrindra fa ramatoa vadiny dia nahita maso ny nahazo ilay vavikely saingy tsisy azony natao. Raha fehezina dia 12 ny naratra mafy, iray tsy mahatsiaro tena, 13 no tsy dia naninona loatra ary 12 ireo tsy misy ahiana ny aminy ankoatra ireo 16 tsy tra-bonjy. Mpianatra, mpampianatra ary ray aman-dreny vitsivitsy no tanatin'ny fiarabe.

Mbola eo am-pikarohana ny tena anton'ny loza ny tompon'andraikitra fa mety ho vokatry ny fahasimban'ny kodiarana iray no nahatonga azy nifatratra tamin'ny andry simenitra mafonja tamin'ny arabe migodàna A4, mampitohy ny ilany andrefana amin'ny farany atsinanan'i Italia avaratra. Araka ny nambaran'ny mpitondra fiara sasany tafaray làlana taminy manko dia efa elaela no tsikaritra fa nisy olana ny kodiaran'ilay fiarabe. Dia izay niafara tamin'ny fidonany tamin'ny andry izay ka ireo nipetraka tany aoriana dia nipitika avy hatrany tany ivelan'ny fiarabe, misy ireo afaka nanavo-tena namaky ireo fitaratra fivoahana raha misy loza fa ireo sasany izay tsy nanana fotoana sy fomba nivoahana malaky dia may kila tao nony nirehitra ilay fiara.