Fehezan-dalàna vaovao : Malagasy ny zaza manana ray sy/na reny malagasy.

 

Araka ny Lalàm-panorenana;
Araka ny Fifanarahana Momba ny Fanafoanana ny endrika rehetra isehoan'ny fanavakavahana ny vehivavy;
Araka ny  Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny Zon'ny Ankizy,

Ny antsipirihan’ity lalàna ity dia azonao jerena manontolo ato : CODE DE LA NATIONALITE MALAGASY
fa ny fehiny dia hoe:

Araka ity fanovan-dalàna ity, ny fampitan’ny reny ny zom-pirenena ankehitriny dia mitovy amin’ny an’ny ray, na ahoana na ahoana ny toe-panambadian’ny reny, na inona na inona satan’ny zaza, na zaza nekena ara-panjakana na ivelan’ny fanambadiana. Noho izany dia  “Malagasy ny zaza manana reny sy/na ray malagasy” araky ny andininy faha-9 (vaovao) amin’ny lalàna laharana 2016-038 tamin'ny 15 desambra 2016.