Misy akony eo amin'ny vatan'olombelona ny fipetrahana maharitra eny amin'ny habakabaka.

 

Misy akony eo amin'ny vatan'olombelona ny fipetrahana maharitra eny amin'ny habakabaka. Voamarina tamin'ny fiverenan'i Scott Kelly tety amin'ny planeta tany fa manova ny lafiny ara-haiaina sy fototarazo izany satria nahitana fahasamihana amin'i Mark, ilay rahalahiny kambana aminy, araka ny vaovao navoakan'ny gazety "Nature".

Nialoha ny nivahianiany teny an'habakabaka dia nanaovana fitiliana maro dia maro izy mirahalahy, izay kambana manana fototarazo tena mitovy. Tsy maro ny kambana manana izay fitoviana tanteraka izay ka nahatonga ity andrana ity mba hahalalana ny akon'ny hery misintona eo amin'ny fototarazon'ny olombelona. 

Handinihana ny fiantraikan'ny fijanonana ela eny an'habakabaka amin'ny toe-batana sy sain'ny olombelona no nandefasana an'i Scott Kelly sy Mikhail Kornienko teny. Rehefa tapitra ny 340 andro ka niverina tety izy ireo tamin'ny volana martsa 2016, dia naverina daholo indray ny fitiliana ka nahitana io fiovana io tamin'i Scott Kelly. Mbola tsy afaka manome ny tsoa-kevitra farany anefa rizareo manam-pahaizana satria mbola arahana akaiky mandritra ny 4 taona izy mirahalahy ary mbola eo am-piandrasana kambana roa hafa afaka hanohizana ny fanandramana izy ireo vao afaka mitompo teny fantatra.