Tantaran'i Hope, zazakely nizeriana, herintaona aty aorian'ny namonjen'i Anja azy.

 

 

 

Nampihetsi-po ny nahita ity tantaran'i Hope ity. Zazalahy kely nizeriana tokony ho 2 taona teo ho eo, narian-dreniny teny an-dalàna fa mpamosavy hono. I Anja Ringgren Lovén, tovovavy avy any Danemark fa manambady sy monina any Nigeria no nahatsikaritra ka nandray sy nikarakara ary nanalehibe azy niaraka tamin'ny zanany sy ireo zaza karakarain'ny Fikambanany, African Children’s Aid Education and Development Foundation

 

 

 

 

Hope - Fanantenana - no anarana nomeny ity zaza ity, satria ao amin'izay misy fitiavana, hoy Anja, dia misy fiainana. Maro ny hetsika natao ka nandraisan'ny tsara sitrapo anjara nanavotana azy. "An'arivony, hoy ihany izy, ny ankizy voampanga ho mpamosavy ao Nigeria, maro ny zaza hitanay ampitahorina, ampijaliana ary mamoy ny ainy mihitsy aza.

 

 

 

Herintaona katroka aty aorian'ny nifanenan'izy mianaka dia nizara vaovaon'i Hope izy, botrabotra kely ary efa nanomboka nandeha am-pianarana.

Mirary soa hatrany ho an'ireo mahavita be ho an'ny madinika toa izao, na aiza io na aiza, na malagasy na inona firazanany.