Peta-drindrina manohitra ny Papa nameno ny làlana vitsivitsy tao an-tampon-tanàn'i Roma.

 

Peta-drindrina manohitra ny Papa Ray Masina no nanaitra vao maraina ny mponin'i Roma ny sabotsy 4 febroary teo.
Sarin'i Papa François mikentrona sy somary sorena arahin'ny teny fanakianana ny fanovana maromaro nentin'ny Papa eo anivon'ny Eglizy katolika ilay izy ary eritreretina ho avy amin'ireo vondron-drelijiozy mbola mifikitra amin'ny mahazatra.

"O ry Francè, nofehezinao ireo Fikambanan-drelijiozy, noroahinao ireo pretra, notapahanao loha ny Ordre de Malte sy ireo Franciscains de l'Immaculée, tsy noraharahainao ireo kardinaly... fa aiza ny famindram-ponao ?" [*]

Tsy nitonona anarana aloha hatreto ny ati-doha nikotrika fa ireo mpanaraka akaiky ny raharaha dia mieritreritra hoe mety avy amin'ireo vondrona mbola mamikitra amin'ny efa mahazatra ka zary naka fahavalo ny Ray Masina no ao ambadik'izao. I Papa François kosa dia tsy nirototra loatra fa nandray tam-pitoniana ilay vaovao, hoy ireo akaiky azy. 

Eo am-pikarohana ny tompon'andraikitra dia efa nesorina sy notakonan'ny manam-pahefana ireo peta-drindrina ireo satria tsy nahazoan-dalàna.

 

[*] ​ Francè​, anaram-bositra fanafohezana ny Francesco (=François). 
Tamin'ny teny romanina fa tsy italiana ofisialy ilay fanontaniana amin'ny farany .