Hiroso amin'ny Fitokonana lehibe ny vehivavy amerikana ho fanoherana an'i Trump.

 

Taorian'ny Diaben'ny Andriambavilanitra amerikana tao Washington, iray andro taorian'ny fianianana nataon'i Trump ho Filoha, dia miketrika fitokonana lehibe indray izy ireo ho fanehoan'izy ireo hatrany ny tsy fankasitrahany azy : "Andro iray tsisy vehivavy" no lohahevitr'io hetsika io. Mbola tsy azo aloha ny daty hanaovana izany.

Hatramin'i Hillary Clinton moa dia efa naneho ny fankasitrahany iny Diabe iny : "Misaotra noho ny firesahana sy ny fanaovana diabe ho an'ny hasintsika. Tena zava-dehibe hatrany ireny. Matoky aho fa mahery isika rehefa miaraka."