Nosokafan'ny Filoha Trump tamin'ny fomba ofisialy ny fankalazana ny Volan'ny tantaran'ny Afro-Amerikana 2017.

 

Nosokafan'ny Filoha Trump tamin'ny fomba ofisialy, ny 2 febroary lasa teo, ny fankalazana ny Volan'ny tantaran'ny Afro-Amerikana 2017 mandritra ity volana Febroary ity.  Nanatrika izany moa i Omarosa Manigault, mpanolotsaina, sy Ben Carson, voatendry ho mpitan-tsoratra ao amin'ny sampan-draharaha Fonenana sy Fampandrosoana.

Notsiahivin'ny Filoha tamin'ny fanambarana nosoniaviny ny anjara biriky nentin'ireo Afro-Amerikana teo amin'ny tantaram-pirenena. "Eto am-pankalazana ny volana natokana ho an'ny tantaran'ny Afro-Amerikana, hoy izy, dia manome voninahitra ny lova sy ny zava-bitan'ny Afro-Amerikana isika. Ny fandraisan'anjaran'ny Afro-Amerikana dia tsy afaka misaraka velively amin'ny fiaraha-monina ary ny tantaran'ny Afro-Amerikana dia maneho ny herin-tsaina sy ny fahaizany mitondra zava-baovao izay mampisondrotra hatrany ny halehiben'ny firenentsika."

Notanisainy tamin'izany ireo amerikana mainty hoditra nanamarika ny tantaran'i Etazonia, toa an'i Katerine Johnson, manam-pahaizana amin'ny fizika sy matematika ary havanana tamin'ny kajy momba ny sambon-danitra, ka nahatonga azy ho isan'ny vehivavy afro-amerikana niasa tamin'ny NACA, izay nivadika NASA taty aoriana ; toa an'i Madam C.J. Walker, nifofotra tamin'ny heriny samirery tamin'ny fampandrosoana ny orinasany, ny "Madam C.J. Walker Manufacturing Compangy", ka nahatonga azy ho mpanefoefo ; toa an'i Robert Smalls, afaka nandositra ny fanandevozana azy sy ny fianakaviany, lasa kapitenin-tsambo ary nanao politika taty aoriana ka voafidy ho solom-bavambahoakan'i Caroline Atsimo ary mambran'ny Antenimiera tao Washington.

Entanina daholo ny manam-pahefana rehetra, ny mpampianatra, ireo mpiandraikitra tranom-boky ary ny mponina rehetra ao Etazonia, mba hankalaza ity Volana ity amin'ny fandaharanasa, lanonana sy hetsika isan-karazany araka izay azo atao, hoy i Trump.