17 taona aty aoriana dia mikasa hamerina ny 3310 ny orinasa Nokia.

Tsy hoe tsaho akory fa resaka efa natsidiky ny gazety Venturebeat, izay loharanom-baovao azo atokisana, fa manana fikasana hamerina ny Nokia 3310 ny orinasa finlandezy HMD Global, mpamokatra ity marika ity. Hanara-penitra kely kosa izy, mazava ho azy, fa ny tanjona dia ny hamaliana ny hetahetan’ireo manembona finday matanjaka sy tsy mora lany fahana toy ny iPhone ankehitriny.  Raha ny vinavina dia eo amin’ny 60 euro eo ny ho vidiny.

Hisy fivoriambe moa amin’ny herinandro ambony io any Espagne, ka mandritra io Mobil Word Congress 2017 io hahalana ny tohin’izy ity.