Fimailo afarana dia voaray anaty 20 minitra.

 

Mbola tsy isika any Madagasikara aloha no afaka manana ity "application" ity. Rizareo ao Dubai toa efa nanana efa taona vitsivitsy izay, dia manomboka ihany koa zareo ao Pavia, any avaratr'i Italia any. Asa iza koa ny ankoatr'ireo, fa ny fotokevitra izany dia tsy hanimba revy raha sendra fihaonana tampoka e - hehehe. 

Afaka atomboka amin'ny fanafarana pizza na sakafo sinoa sy zaponey tokoa manko ny takariva "romantika" ; kanefa raha mety tokoa ve ny tantana dia ho simbain'ny tsy fisian'iny plastika kely iny ? Dia aza manahy intsony fa ny teknolojia dia efa manome vahaolana :  "clic clic" amin'ny finday fotsiny ankehitriny dia milamina ny raharaha. Clic... dia misafidy izay metimety aminao ; dia clic indray ... dia manome ny adiresy anaterana azy. Dia matokisa fa afaka 20 minitra dia hampaneno ny kiririoka ao am-bavaravanao ny mpanatitra ny fitaovana... izany hoe mbola manana fotoana tsara ianao higohana am-pilaminana ny veran-divay mialoha ny tolona ... sa ve hoeeee.

Mbola hanenika izao tontolo izao angamba izy ity atsy ho atsy fa raha mbola tsisy ny findainareo dia aza hadino mividy iray boaty atao fiandry aloha rehefa mandalo farmasia e.