Frantsa : manazatra voromahery hiadiana amin'ny drôna ny Tafika an'habakabaka.

Manomboka manazatra voromahery, irony "aigle royal" irony, ny tafika frantsay ankehitriny hanakanana ny drôna maivana izay fitaovam-pitsikilovana ampiasain' ireo mpampihorohoro ihany koa.

Ny voromahery manko dia havanana amin'ny fandrombahana ny haza eny am-panidinana ka amin'ity dia omena sakafo ambonin'ireny drôna efa simba ireny izy mba hanazarana azy hieritreritra hoe misy sakafo eny ambonin'iny raha mahita drôna manidina izy. Ny tombontsoa hampiasana azy noho izany dia satria mandrombaka izy fa tsy manimba sady tsy mandatsaka ilay drôna amin'ny toerana saro-pady (feno vahoaka ohatra) fa entiny eny amin'ny tany marina tsisy manelingelina iny avy eo. 

Hatramizao aloha dia mbola tsisy voromahery naratra nandritra ny fanazarantena, hoy ny tompon'andraikitra ao amin'ny Tafika frantsay, raha naneho ny tsy fankatoavany azy ity ireo fikambanana mpiaro ny biby.