Georgia (USA) : dokotera nanampy ilay pitbull hiala tamin'ny tahotra sy hiverina hatoky ny olombelona.

 

Toa izao mihitsy rehefa tena tiana ny biby. Nandritra ny herintaona i Angie Mathis, dokoteran'ny biby, no nampianatra tsikelikely an'i Graycie, hiala amin'ny tahotra nangeja azy sy namerina fitokisany. Nisy nanary teny an-dàlana izy ity ary nitondra takaitra tamin'izany. Tsy nahalatsa-kanina intsony koa. Kanefa tsy nanaiky hiraviravy tanàna koa ingahy radoko fa nanao izay vitany, hatramin'ny niaraka nisakafo taminy tao anaty tranokely fitoerany.

Nisy valiny ny ezaka sy faharetana hany ka nanaovany fety kely mihitsy i Graycie tamin'ny andron'ny Mpifankatia.