Nifoha indray i Etna, volkanon'i Eoropa isan'ny lehibe indrindra.

 

Efa tamin'ny 23 febroary teo no nanomboka namoaka setroka sy ranoka i Etna, volkano any atsimon'i Italia any, fa omaly 28 febroary tamin'ny 6 ora hariva no tena nipoaka saingy tsy mahery be toy ny talohaloha teo aloha tamin'ity indray mitoraka ity, soa ihany. Na izany aza dia ataon'ny manam-pahaizana andry maso hatrany izy.

Toy izao ny "hatsarany" eo am-pijerena azy, izany hoe rehefa tsy loza mitatao sy tsy manimba na mamono izy, ary antenaina tsy hiharatsy.