Printsy Albert II an'i Monaco nitsidika an'i Akamasoa sy Manantenasoa

 

Tany amin'ny taona 1995 no nifandraisan'i Père Pedro voalohany tamin'ny Fikambanana MAP - Monaco Aide et Présence, ary nanomboka teo dia be ny fanampian'ity Fikambanana ity ho an'ireo zaza ao Akamasoa sy Manantenasoa : fananganana ny «sekoly fanabeazana fototra Rainier III »  tamin'ny 1997,  ny «sekoly ambaratonga fototra Prince Albert »,  ny «sekoly ambaratonga faharoa Grimaldi » sy ny Trano fisakafoanana  «Cantine du Rocher» (manolotra sakafo ho an'ny zaza 2.800 isan'andro). Mbola ao koa ny fikasana hanangana ny « trano fitsaboana Princesse Grace » izay hanome vahana indindra ny fanaovana vakisiny zaza an'arivony.

 

Ka amin'izao fandalovan'i Printsy Albert II izao no nitokanana ny sekoly sy toerana fampiterahana iray ao Manantenasoa, tafatsangana noho ny fanampiana avy amin'ny MAP mazava ho azy.