Espagne : voky ny mpanao fety efa an-jatony dia lasa tsy nandoa vola.

 

Efa mpitranga ihany ny mody adala sy manao fanahy iniana tsy mandoa vola rehefa lany ny sakafo any amin'ny hotely fisakafoanana ireny. Fa ity indray mitoraka ity kosa dia olona efa zato mahery no mody nanao dihy valalamanjohy sady nivoaka ny varavarana dia tany dia tsisy niverina intsony rehefa hifarana ny fiaraha-misakafo sy lanonana nankalazana batemy natrehan'izy ireo.

Tsy misy azo natao, hoy ny tompon'ilay trano fisakafoanana, satria olona marobe rizareo no avy dia niara-nirona nivoaka tany. 2000 euro eo ho eo ny tontalin'ny vola tokony naloa. Nolazainy aloha fa tsy teratany espaniola ireto izy, ny manampahefana ao an-toerana rahateo nanamafy izany na tsy namaritra toy ny tompon'ny hotely aza hoe toa vahiny avy amin'ny firenena atsinanana. Ary toa tsy dia hanano sarotra hono ny hahatratrarana azy ireo fa miandry fotoana fotsiny.