Rivodoza #Enawo nahery indrindra tanatin'ny 13 taona

Ao anatin'ny mason'ny rivodoza Enawo tanteraka Antananarivo ny andron'ny 8 marsa. Efa nanomboka ny 6 marsa no nitondra oram-be tao Antananarivo ity rivodoza ity, fotoana izay namelezany ny faritra avaratra atsinanan'ny Nosy. Hatramin'izao dia voalaza fa telo no maty ary anjatony kosa ireo voatery nafindra fonenana vonjimaika.

Azonao arahina hatrany ny takelaka manokan'ny Meteo Madagasikara ao amin'ny Facebook sy ao amin'ny Youtube hanarahana akaiky ny vaovao.

 

 

Video nalain'i Haja Placide Ramamonjisoa mampiseho ny zava-mitranga ao Antananarivo.

 

 

Sary vitsivitsy maneho ny zava-nisy tany avaratr'i Madagasikara izay isaorana ny Cyclone Ocean Indien ao amin'ny facebook

Andasibe: Sary tao amin'i José Claude Solomamiarivony 

Ity eto ambany ity kosa indray ny sarin'ilay rivodoza  Enawo ny marainan'ny 7 marsa 2017 nandritra ny fidirany tao Madagsikara izay nitondra rivotra hatramin'ny 230km /ora araka ny voalaza tato (Sary: NASA.)

Fenerive est indray ny sary eto ambany, nalaina tao amin'ny Enawo 2017

Ireto indray ny tany Nosy Be

Sambava indray ny eto ambany

Ito ambany ito dia sary tany Maroantsetra : photo H.Ismaeljee pic.twitter.com/2Lydz5vX0s

Eto ambany, araka ny voalazan'ny sasany tao amin'ny Facebook dia nisy vaky i Sisaony

Toa izao ny nanjo ny olona nanodidina an'i Tanjombato

Izao kosa no nanjo ny tany Brickaville