Miandry zaza faharoa i Mark Zuckerberg

Araka ny nolazainy tao amin'ny rindriny ao amin'ny Facebook dia miandry mpantsaka rano ry Mark Zuckerberg mianakavy. Fomba fiteny ho an'ny miandry vavikely tokoa io fa angamba mety tsy hahay hantsaka akory izany vehivavy izany rehefa teraka. Zaza faharoa ao amin'ny fianakaviana Mark sy Priscillia Zuckerberg izao andrasana izao. Nilaza i Mark fa nanahirana azy ihany ny nahazo an'i Max zanany voalohany, koa fifaliana lehibe ho azy mihitsy ny nahalala fa nitoe-jaza indray ny vadiny. Naniry mafy izy ny mba hahazo vavy kely ary dia izao nitombo izao indray ny fifaliany satria tanteraka izany faniriany izany. Nanana anabavy 3 izy, hoy ihany ny filazany tao amin'ity vaovao napetrany amin'ny rindriny ity, ary nanampy azy be dia be tamin'ny fiainana ireo anabavy telo ireo, toa izany koa ny vadiny izay nanana rahavavy iray, ka dia manantena izy fa ho tombontsoa ho an'i Max ihany koa ny hahazo anabavy.