'Vitan'i Mélanie io'

 

Tamin'ny fiandohan'ny volana mars teo dia nanao fanamby i Mélanie Ségard fa raha mahatratra 100.000 ny mpanaraka ny pejiny "Mélanie peut le faire" ao amin'ny facebook dia hanolotra ny Filazana ny toetr'andro ao amin'ny fahitalavitra izy.

"21 taona aho, hoy i Mélanie. Mety hoe tsy mitovy amin'ny olona rehetra aho kanefa tiako porofoina ihany koa fa afaka manao zavatra maro, toy ny hoe hiakatra amin'ny sehatry ny fahitalavitra." Tovovavy sembana ara-tsaina i Mélanie, ary ity hetsika ity dia tafiditra amin'ny hankalazana tsy ho ela ny 21 martsa, "Andro Iraisam-pirenena ho an'ny aretin'i Down".

Ary dia tanteraka ny faniriany fa 250.000 be izao ny mpanaraka sy mpanohana azy. Nofinofiny tokoa manko izany ka dia nanolotra ny Filazana ny toetr'andro tao amin'ny France 2 tokoa izy omaly 14 martsa teo. Ho an'ny France2 dia fomba iray entina hanohanana ny Unapei izao, hanomezana lanja sy sehatra hatrany ireo sembana. Tafita ny hafatry Unapei hoe "afaka misy sy azo andrandraina ny fiarahamonina misokatra amin'ny fahasamihafana".