Ny fahatonian'ilay mpanao gazety nahare fa matin'ny lozam-piarakodia ny vadiny.

 

Nandritra ny vaovao an-tsary tao amin'ny IBC24, fahitalavitra tsy miankina any Chhattisgarh (India), i Supreet Kaur no nandray ny vaovaon'ny lozam-piarakodia nahazo ny vadiny.

Araka ny fitantaran'ny mpiandraikitra iray ao amin'ny IBC24 dia teo am-panolorana ny vaovao izy no niditra an'onjampeo mivantana ny mpiara-miasa aminy iray, nitantara lozam-piarakodia nitranga tsy lavitra an'i Mahasamund. Avy hatrany dia hainy fa ny fiaran'ny vadiny io ary azony onona fa ny vadiny ny iray amin'ireo olona telo maty. Tsy nipì-bolomaso akory anefa izy fa notohizany ny fanolorana ny vaovao nandritra ny 10 mn ary efa niala teo amin'ny fitenenana izy vao niantso ilay mpiara-miasa aminy nanontany ny mombamomba ireo olona namoy ny ainy. Nitombina ny ahiahiny ka teo izy vao ankon-dranomaso.

Nanohina ary nideran'ny maro azy mihitsy ilay fihetsiny mampiseho ny maha-matihanina azy eo amin'ny asany ka tsy nanome vahana ny fihetsem-pony nandritra ny 10 mn naharetan'ny filazambaovao.