Neken'ny Vatican ny martirin'i Lucien Botovasoa, mpampianatra tany Vohipeno. Hiroso amin'ny fanandratana azy ho Olontsambatra izany.

 

 

Neken'ny Vatican omaly 4 mey ny martirin'i ramose Lucien Botovasoa, mpampianatra tany Vohipeno, maty niaro ny finoany. 

Teraka tamin'ny taona 1908 izy, nandia sekoly tao Fianarantsoa ary nampianatra tao amin'ny sekolin-dr' i mompera tany Vohipeno. Ankoatra ny famakiana tamin'ny mpianatra nazoto hihaino ny tantaran'ireo Olomasina isaky ny mirava ny sekoly, dia isan'ny tena nankamamiany ny tantaran'ireo martiry. Tamin'izany fotoana izany no nahalalany ny fikambanana Tiers-Ordre de Saint François. Nanaraka antsakany sy andavany ny lalàna mifehy ny tersiera izy ary hatramin'ny fitafiana aza dia tsy niala teny aminy ny pataloha sy lobaka volontany omban'ny fehikibo tady, na andavan'andro na alahady.

Niroso tamin'ny Sakramentan'ny fanambadiana izy ny volana oktobra 1930. "Faly aho, hoy izy, amin'izao anjarako izao satria ho lahika manambady sy mampianatra no niantsoan'Andriamanitra ahy. Afa-manao izay zavatra tsy vitanareo mompera sy masera ho fitarihana ireo olona ao an-tanàna aho satria maro ny mbola jentily." Ho lahika lavorary ny faniriany.

Noho izy manampahaizana dia saika mba atolotry ny antoko Padesm tao Vohipeno izy tamin'ny fifidianana ara-paritra tamin'ny 1947. Nandà mafy ka tezitra taminy ingahy Dumont, administratera. Hany ka nony nanomboka nafana ny raharaha 1947 dia efa nampiomana ny vadiny izy hoe "na inon-kidona na inon-kihatra dia aza miala amin'Andriamanitra ianareo". Azo lazaina fa nanolo-tena ho an'ny fahafatesana mihitsy izy ho solontenan'ny fianakaviana, sao sanatria misy hovonoina koa amin'izy ireo. Tsy mba nandositra izy na azony natao tsara aza izany. Ambetin-teniny tamin'ny vadiny foana ny hoe "tsy atahorako ny fahafatesana, ho sambatra aho. Ianareo ilaozako no hampalahelo ahy fa hanampy anareo aho". Ary dia nilaza moa ny vadiny fa marina tokoa fa nandritra izay fotoana sarotra izany dia toy ny tsy nandia fahasahiranana rizareo.

Nampanantsoin'ny Ampanjaka tokoa izy ny 17 aprily. Naman'ny Padesm no niampangana sy nanamelohana azy. Tsy dia nazava izay tena resaka nataon'ny Ampanjaka sy i ramose nandritra io andro io fa dia nentina teny amoron'ny renirano Matitanana izy. Notapahana ny lohany ary navarina tany an-dranomasina ny fatiny. Araka ny fitsipiky ny Fikambanana hoe "hitàna lakroa ny frera efa ho faty" dia nanao ny akanjo volontanin'ny tersiera izy ary nitana lakroa.  39 taona izy tamin'izay ary tsaroan'ny vadiny foana ny teniny hoe "rehefa maty aho, tsy ho atý, tsy ho arý fa amin'ny fitoerana rehetra."

Rehefa nohadihadian'ny Vatican ny tantarany dia nankatoaviny fa maty martiry "in odium fidei" (fankahalana ny finoany) izy ka hasandratra ho Olontsambatra. Manana Olomasina iray, dia i mompera Jacques Berthieux, izany isika Malagasy ary Olontsambatra 4 dia i Victoire Rasoamanarivo, frera Raphael Louis Rafiringa, mompera Jean Beyzim ary ramose Botovasoa.