Vaingandranomandry nisintaka tamin'ny kaontinantany.

 

 

Nanomboka tamin'ny taona 2011 no nanao andri-maso ity vaingandranomandry any amin'ny tendrontany atsimo​ ity ny manam-pahaizana noho izy efa nivavatra tsimoramora. Isan'ny tena lehibe izy, 5.800 km2 ny velarany, zany hoe mitovitovy amin'ny distrikan'i Vatomandry sy Mahanoro mitambatra.

Ankehitriny dia nisintaka tokoa izy ka mety hiteraka olana amin'ny fifamoivoizina an-dranomasina na dia tsy dia atahorana loatra aza ny mety ho fiakaran'ny haavon'ny ranomasina. Manamafy kosa anefa ireo manampahaizana fa tsy misy ifandraisany amin'ny fiakaran'ny maripanana amin'ny toetr'andro ankehitriny izany.