Montsana ny tompon-daka eran-tany teo amin'ny hazakazaka 100 metatra.

 

[sary : Michael Steele]

Justin Gatlin (sary : Michael Steele)

 

Niondrika teo anoloan'i Justin Gatlin i Usain Bolt tamin'ny fifaninanana ny ho tompon-daka eran-tany amin'ny hazakazaka 100 metatra tany Londres, tamin'ny sabotsy 5 aogositra teo.

Medaly volamena ho an'i Gatlin (USA), 35 taona, izay nahavita ny 100 metatra tanatin'ny 9'92, volafotsy ho an'i Coleman (USA), 9'94, ary alimo ny an'i Bolt (Jamaique), 9'95.

Tsy dia nafana loatra ny fandraisan'ny vahoaka ity fandresen'i Gatlin ity noho izy efa voarohirohy tamin'ny fampiasana fanafody mampantanjaka, ary ny farany teo aza dia tamin'ny fifaninana tao amin'ity kianja tao Londres ity ihany, taona vitsivitsy lasa izay.