Navadiky ny mpanakanto eny an-dalambe ho sary mahafinaritra ny lakroa "svastika" nanemitra ny rindrina ao an-drenivohitr'i Alemana.

 

"Manohitra ny fankahalana amin'ny fitiavana sy ny fahaiza-mamorona, hoy i Ibo Omari sy ny fikambanany, "Die kulturellen Erben", mampita hafatra amin'ireo mpanararaotra fa ny fanoratsoratana rindrina (graffiti) dia tsy natao ivoizana fanavakavaham-bolonkoditra fa hitondra loko maro marevaka mahafinaritra ny maso sy endrika hafa ho an'ny tanàna."

Ka rehefa leo ny mahita ireo "svastika" manemitra ny rindrin'i Berlin izy dia nifamotoana tamin'ny namany vitsivitsy, ka namadika ireny lakroa ireny ho sary mahafinaritra sy mampihomehy.