Manomboka mampaniry "abaca" ny ao amin'ny Sahan-javamaniry sy biby​ ao Tsimbazaza. 

Philippines no tena mpamokatra ny abaca, na ny Musa Textilis  amin'ny anarany siantifika raha toa ka Musa Paradisiaca ny fiantso ny akondro mahazatra sy maniry any amintsika. Fa maro koa anefa ireo firenena ao Asia no manana azy.

Samy mamy sy mitovy endrika ireto karazan'akondro ireto saingy ny "abaca" dia maitso sady misy voany vaventiventy toy ny voazato (pocanelle) izay tsy fitelina.

Efa hahitana azy ihany any Ampefy sy Analavory ary ao amin'ny Valanjavaboaharin'i Marojejy, hoy ny mpiandraikitra ny Sahan-javamaniry ao Tsimbazaza. Fa rizareo kosa no zao vao manomboka mamboly azy anaty trano fitaratra. 

Asa raha hisy tetikasa hitrandrahana ny ravin'ito karazany iray ito any Madagasikara satria any Philippines ohatra dia manana anjara toerana lehibe eo amin'ny toe-karena izy noho ny fanodinana ny raviny ho lasa tady, ilay antsoina hoe "chanvre de Manille".

 

 

 

Rondro Volantsoa