Namonjy iny lanitra fisidinany fahizany iny i Mary Ellis, mpanamory fiaramanidina nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.

 

Nodimandry tamin'ny faha-101 taonany i Mary Ellis, isan'ny vehivavy anglisy nanamory fiaramanidina mpiady, indrindra ny Spitfire, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.

Tamin'ny taona 1941 no nanombohany niditra tamin'ny Air Transport Auxiliary (ATA)​ raha sendra naheno fiantsoana tamin'ny fampielezam-peo izy, nanentana ireo tovovavy hanampy isa ny Tafika anglisy.

Araky ny fitantarany dia nahatontosa sidina efa ho arivo mahery izy nandritra ny ady. Tsy hoe nandray anjara mivantana tamin'ny fanafihana na fandatsahana baomba akory fa nitondra ny fiaramanidina teny am-bava ady tamin'ny fanoherana ny Tafik'i Hitler sy ho fiarovana an'i Eoropa.

Taorian'ny ady dia lasa nonina tao amin'ny Nosy Wight, niandraikitra ny seranam-piaramanidina kelin'i Sandtown i Mary. Ny taona 1961 izy no nanampakarin'i Don Ellis ho vady, izay mpanamamory toa azy ihany koa.