"Arahaba ry Maria" 10 isaky ny adin'ny iray no sandan'ny fijanonan'ny fiara manoloana ny fiangonana iray ao Roma.

 

Ny fanjakana italianina raha manitatra ny toerana fijanonan'ny fiara ho andoavam-bola, dia misy fiangonana iray kosa ao Roma nahita hevitra hafa. Tsy misy moa izany ny omena fotsiny ka ny azy dia "Arahaba ry Maria" 10 isaky ny adiny iray ny sandan'ny fijanonan'ny fiara manoloana ny fiangonana. Raha mijanona adiny roa ianao izany dia miventy "Arahaba ry Maria" 20, dia miakatra hatrany. Raha latsaky ny 15 minitra kosa no ijanonanao dia "Rainay any an-danitra" iray, "Arahaba ry Maria" iray ary "Voninahitra" iray no sandany.

Fahaizana misarika ny mason'ny olona ihany koa angamba izay, no fomba iray itarihana azy hitodika amin'Andriamanitra ?