'I have forgotten the night', sanganasan'i Joel Andrianomearisoa miranty ao amin'ny Biennale di Venezia 2019.

Mandray anjara voalohany amin’ny fampirantiana mandritra ny “Biennale di Venezia” i Madagasikara amin’ny alalan’ny  sanganasan’i Joël Andrianomearisoa  : “I have forgotten the night”, izay ampitany indrindra ny fihetsehampony amin’ny  fahatsiarovany an’i Madagasikara. 

"Io no fomba iray hamaliako ny fanontaniana hoe iza aho, hoy izy. Ahoana ny fahitako an’i Madagasikara, inona ny tena tsaroako momba an’i Madagasikara ary ahoana no fomba hahatsiarovako azy.
“I have forgotten the night” : izany hoe hadinoiko kely aloha ny taniko mba hahatsiarovako azy tsara, mba hahatsara ny fiverenana aminy.

Maro ny fiaraha-miasa nahatontosana azy ity. Teo amin’ny famokarana dia tao i Rina Ralay-Ranaivo sy Emmanuel Daydé, ny Fikambanana Kantoko ao Antananarivo sy ny Revue Noire ao Paris.  Ny mozikan’i Môta Soa kosa no mandravaka azy.
Nitondra ny anjarany koa ny Chocolaterie Robert tamin’ny nampahafantarana/nampanandramana ny sokolà malagasy. Maro ny nandray anjara tamin’ny Boky fa singanintsika eto i Môssieur Njo.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 9 mey teo ny Madagascar Pavilion amin'ity andiany faha-58 amin’ny "Biennale di Venezia 2019" ity ary sambany tokoa no tonga mandray anjara any i Madagasikara fa tiako ihany koa, hoy i Joël ny miteny hoe “sambany ary voalohany mandray an’i Madagasikara i Venise”. Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panokafana sy nanao lahateny andriamatoa Mpiandraiki-draharaha ao amin’ny masoivohon’i Madagasikara ao Italie, Suzelin Ratohiarijaona. Haharitra hatramin’ny 24 novambra 2019 ity fampirantiana ity.

 

Rondro Volantsoa