Nifoha tamin'ny torimasony ny volkano Stromboli.

 

Nanodidina ny tamin'ny 4 ora sy sasany tolakandro teo, androany 3 jolay 2019, dia nifoha tamin'ny torimasony ny afotroa (volkano) Stromboli, nosy kely any atsimon'i Italia.

Fipoahana mahery vaika maromaro nifanesy no nanaitra ny manodidina ary dia nanomboka nitsonika ny ranoky ny afotroa ka nandoro ireo zavamaniry manemitra ny tehezany. Araka ny fanambaran'ny INGV - Istituto Nazionale di Geofisica e Vulcanologia - dia ireo fipoahana roa tamin'ny dimy ora latsaka fahefany no isan'ny mafy indrindra tamin'izay rehetra voarefy hatramizay nanombohana nampiasana ny milina fanarahamaso ny afotroa Stromboli tamin'ny taona 1985.

Mpitsangatsangana iray no namoy ny ainy ary iray naratra. Maro kosa no avy dia nitsoraka tanaty ranomasina ary ny mponina kosa dia tsy mety mivoaka ny trano noho ny tahotra ireo vatokely mipitipitika vokatry ny fipoahany. Efa misimisy ihany koa ny mpizahatany nangataka tamin'ny tompon'andraikitra mba hiala ny nosy ka efa mivonona ny amin'ny fitaterana izy ireo.

 

 

Ity kosa ny horonantsary nalain'ilay naratra raha nitsantsangana tamin'ny lalan-kely izy ilay namoy ny ainy  no nipoaka ny afotroa.

 

 

 

Rondro Volantsoa