Nisy filtre tsy nahy ny video

Mandritra ny fotoana izay isian'ny fihibohana noho ny coronavirus dia tsy misy lamesa azon'ny rehetra atrehina intsony ao Italia. Maro, noho izany, ireo pretra izay mandefa an-tsary ny sorona masina ataony sy mizara izany mba hahafahan'ireo Kristianina maro any antrano miara-mivavaka. Anisan'izany i mompera Paolo Longo izay nizara ny lamesa nataony koa. Nahatsikaiky anefa, dia voatsindriny tsy nahy ny "filtre" teo amin'ny finday nampiasainy, ka nanjary nisy haingony maro ny video nalefany.