2017, rakikira vaovaon'i George Michael

Teo am-panomanana rakikira vaovao i George Michael raha nindaosin'ny fahafatesana tamin'ny volana desambra iny. "Misy hira iray tena nifantohany indrindra indrindra, hoy i Naughty Boy izay mpamokatra ny hirany, ary efa teo am-pamaranana azy izahay, no indrisy lasa nisy iny fisarahana tampoka iny. Somary tapaka aloha ilay aingam-panahy izao, sady mari-panajana azy ihany koa dia miato kely ny amin'iny, fa hotohizako tsy ho ela izy io dia ho hitantsika eo ny fivoakany". 

Tamin'ny taona 80, tao anatin'ny tarika Wham, moa no nanombohan'i George Michael namaky ny sehatra amin'ny maha-matianina. Taorian' izay izy vao nandeha irery. Maro ireo hirany maro mpankafy toa an'i "Last Christmas", "Careless whispers", "Faith".

Eto am-piandrasana izay rakikira vaovao izay isika izany.