'Alefa Sayda', hoy ny hiakan'i Misié

Mr Sayda, ny fanontaniana manitikitika saina voalohany dia hoe avy aiza izay anaranao izay ? Satria Miandravola angamba ny anaranao anaty kopia nahaterahana raha araky ny resaka amin'ny "Sipan'ny marim".

Sayda no anaram-bositra fiantsoana ahy taty an-tanàna (Ampandrana – Bel Air) hatramin'ny faha-14 taonako. Namako iray no nametraka an'io ka tsy nikaroka lavitra intsony aho tamin’ny taona 2005 raha nanomboka nihira fa avy dia nampiasa io fiantsoana io. Notovanako hoe Misié kosa izy taty aoriana, izay midika hoe "ramose", ho marika fa efa nitombo taona aho ka nanaraka izay ihany koa ny fomba famoronako sangan'asa. Raha ny ao anaty kopia dia Miandravola Rojotiana ANDRIANIFAHANANA RAZAFINTSALAMA no anarako feno.

 

Taiza ho aiza teo amin'ny fiainan'i Mr Sayda no nitsirian'ny aingam-panahy hihira, teny amin'ny tanàna nonenana sa tany am-pianarana sa tao amin'ny fianakaviana ? 

Raha ny niantombohako tamin'ny lafin’ny kanto dia fony kely satria vao 7 taona aho no nanomboka nanoratra poezia, izay literatiora nolovaiko tamin'ny raibeko, Razafintsalama Jean Fidèle, poeta sy mpanoratra ary mpikambana mpanorina ny Havatsa UPEM. 

Nanampy ny fitiavako manoratra ny fankafizako hatsikana ary marihako fa ny ho lasa mpanao hatsikana matihanina ny mba faniriako fony kely. Nanampy an'izany ny nidirako tamin'ny tarika mpanao tantara an-dampihazo tao amin'ny Kolejy Masina Misely tao Amparibe izay nahatonga ny aingam-panahy hiakatra an-tsehatra ary hamadika ho hira ny poezia soratako. 

Teo amin'ny adolantsento aho no nanomboka nankafy ny vazo "rap" sy "ragga" (Raboussa, 18,3, Krutambull, Shao Boana) sy ny vazo miteny ary ny ba gasy (Ifanihy, Tselonina, Lolo sy ny tariny,...) ka nanapa-kevitra fa holalaoviko anatin'ny gadon'ny mozika an-tànan-dehibe ny ventin-kevitra fivoin'ireo mpanao vazo miteny ireo, ary izay no tiako iavahana amin'ireo mpiray andiany amiko.

  

Nametraka olana teo aminao sy ny ray aman-dreny ve ny naha-artista anao ?

Tsy dia nametraka olana lehibe tamin’izy ireo ny fitiavako zava-kanto amin’ny ankapobeny rehefa tsy mifanipaka amin’ny adidy tokony ho ataoko, izany hoe ny mianatra sy ny miaina ny fiainam-pianakaviana. Ny fianakavianay rahateo dia olona voataiza tamin’ny kanto ka namela ahy malalaka tamin’ny safidiko hanao mpihira matianina. Taty aoriana fotsiny, nony nanomboka ny fampisehoana maro sy fitetezam-paritra nataoko, no mitady tsy ho arako intsony ireo adidy ireo.

  

Inona ny gadona tena voizinao ary iza no mpihira na tarika (malagasy na vahiny) nahafinaritra anao ka nataonao ho ohatra na filamatra hitondranao ny mozikanao ?

Raha ny gadona tena voiziko dia ny "Roots" izay midika hoe “Faka”. Tsy manaraka loatra ny an'ireo jamaikanina, izay mivady betsaka amin’ny reggae, na marimarina kokoa ny Ska sy ny Rocksteady ; fa mirona kokoa amin’ny fitrandrahana ny ba gasy sy ny endrika zavakanto nentim-paharazana malagasy (jijy, hainteny, sôva,...) taty aoriana nefa izay nifanakaiky fitsatoka amin’ny “raggamuffin” jamaikanina.

Efa somary voalazako tetsy aloha ihany ny artista tiako fa ny tena nanamarika ahy dia i Jaojoby raha ny gadona mihetsika. Vao 4 taona aho dia nampihainoan'i dadanay ny hiran'i Jaojoby (Alima, Mila fitiavana, Vambanao, …) noho izy tena mpankafy azy fatratra fony fahavelony.

Amin’ny maha-mpanoratra ahy koa anefa dia tena ankafiziko ny hiran'i Lolo sy ny tariny izay isan’ny nisy akony betsaka tamin’ny sangan'asako maro noho ireo sarinteny sy sarinkevitra ampiasainy hitantarana ny fitiavana sy ny olam-piarahamonina. Tsy adino koa anefa i Ifanihy izay nanana ilay lafiny "mampivanitika" any anaty hira. Arak'izay koa ny nankafizako an'i Tsiliva taty aoriana satria nahay nampivady ilay lafiny mihetsika sy mampiomehy.

Tsy nanakana ahy tsy hankafy ireo tena taty aoriana anefa izany, toa an-dr’ i Marion, 'Zay, Agrad & Skaiz.

 

Ankoatra ny fitiavana, inona no tena ventesin'ny mozikanao ? Tranga efa niainana sa mba eritreritra nitety habakabaka ny ankamaroany ? Nataonao hamohana ny ainga mikobona ao anatinao ve ny mozika, sady fitaovana entinao koa handazana ny tsy mety sy ny hetahetan'ny fiaraha-monina ? sa dia tena fialamboly fotsiny ?

Ny fitiavana sy ny tontolon'ny vehivavy tokoa no mibahana amin’ny sangan'asako. Fa miaraka amin'kzay dia manao hira mikasika ny fiainan'ny tanora, ny toe-draharaha eto amin’ny firenena, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny firaisankina ary ny fihavanana malagasy ihany koa aho. Maro ireo hirako mivoy ireo lohahevitra voatanisako ireo saingy vitsy no navoakako teny amin’ny tranokala fijerena izany satria tiako hanatevenana ny atrik'asako amin’ny taona hoavy izany hira maro izany.

Raha ny loharanon'aingam-panahy indray dia maro ny tantara tena niainako raha tsy hilaza afa-tsy "Sipan'i Marim" sy "Tokantrano lafatra" aho. Misy ihany koa anefa ireo noforonin'ny saina tsotr'izao  amin’ny maha mpamorona ny tena, ary tsy ferana ny nalaina avy amin’ny tranga niseho teo amin’ny namana, mpiray tànana, olom-pantatra.

  

Iza no mamorona ny tononkira sy ny feon' ny mozikanao ? Iza daholo ny ao aorian'i Mr Sayda eny ambony sehatra ? ny mpitendry, ny mpandrindra sns …

Ny tenako ihany no mpamorona ny feony sy ny tononkirako hatreto. Maro ireo mpiantsehatra miaraka amiko, na mpanao mozika io na mpikarakara, fa anisany ny Ambani'Dia Rekordz, ny tarika Zanadjah'z, i Tomi Dadarozy. Vao haingana moa dia nahazo mpitendry gitara sady mpandrindra aho dia i Santatra Rasolomanana, fantatra amin’ny anaram-bositra hoe Bob.

  

Maromaro ihany ny hiranao efa mandeha an'onjampeo sy eny amin'ireo tambazotra sosialy, firy eo ho eo izy zao ? Misy amin'izy ireo ve tena nanamarika indrindra anao ?

Tato ho ato tokoa dia nihamaro ireo hirako no nitety haino aman-jery. Nanamarika ahy avokoa izy ireny saingy tsy afaka am-bavako kokoa dia “Sipan'ny marim”, “Mody virijiny”, “Ilay melodia”, “Diso saro-piaro”

Raha ny fitambaran’ny hirako hatramin’izay sy mbola voatahiriko dia efa maherin'ny 200 izao. Fa ny 30 mahery kely amin'ireo no tena navoakako teny  amin’ny tranokala, sns.

  

Ankoatra ny mahazatra anao, manam-pikasana hanao gadon-kira hafa ve ianao ? Nieritreritra fiaraha-miasa amin'ny artista tsy manao rap, tsy manao ragga, sns ?

Amin’ny maha-mpanakanto dia ilaina tokoa ny manana fijery mivelatra. Tamin’ny taona 2013, ohatra, dia nanao fampiaraham-peo tamin’ny tarika Jeneraly aho, fa noho ny antony tsy niankina tamiko na tamin'izy ireo dia tsy navoakanay. Tamin’ny volana oktobra teo izaho sy i Pit Léo dia niara-niasa tamin’i DJ Natal, izay mpanao mozika mafana, ka nanandrana gadona vaovao dia  ny "electro jijy".

Manam-paniriana ny mba hiaraka hihira amin’ny mpihira hafa koa anefa aho raha tsy hilaza afa-tsy Nina's sy Gasy Ladies (tranga lela sy vanitika kely)

 

Manao ahoana ny fifandraisanao amin'ny mpankafy anao ? Tsapanao tafita ve ny hafatra raha misy tianao ampitaina ? Inona ny olana sedrainao eo amin'ny famakiana sehatra sy fitadiavana lalàna hampahafantatra ny talentanao ?

Efa namorain'ny fisian'ny tambazotra sosialy tokoa izany ankehitriny. Ny pejiko ao amin'ny facebook - Mr Sayda - Label RLP - no ifandraisako mivantana amin' izy ireo nefa koa ho an'ireo mifanena sy mifanatri-maso amiko dia tsy mba dia fombako ny miavona aman'olona ka mifandray mora foana izahay (tsiky kely)

Amin'ny alalan'izany rahateo no ahatsapako fa tafita ny hafatra alefako amin'ny ankapobeny. Tsy ferana koa anefa ireo izay mety hitondra tsikera sy fanakianana, fa ezahiko raisina tsara foana ireny.

Raha ny eo amin'ny lafiny famakiana sehatra sy ny sisa indray dia tany am-boalohany no somary nanahiranana sy nampitebiteby sao tsisy hahazo ny zavatra ampitaiko nefa nanampy ahy betsaka tokoa ny nananako tononkira tsotra sy mora tadidy. Ao koa ny traikefa azo tamin'reo sehatra lehibe nolalovana : Palais des Sports, Coliseum, Kianjaben'i Mahitsy, SabNam, sns, hany ka efa voafehy tsikelikely ny fiakarana an-tsehatra.

Raha ny lafiny fahalazana dia ataoko fa vitsy ireo mpanakanto milaza fa tsy tia izany. Raha ny amiko dia efa ela ihany (10 taona) no namoahako sangan'asa ary fahafinaretako hatramizay ny mahita ny olona mankafy ny zavatra foroniko. Tsy manakana ny mpankafy maro ankehitriny, izay manomboka mangataka ny tian'izy ireo ho ataoko koa anefa izany saingy tsy nataoko ho sakana amoahana ny tiako ho lazaina ao anatiko ao fa vao maika manome fijery vaovao ho ahy hoentina mamorona zavatra vaovao.

   

Ankoatra ny fisehoana an-tsehatra, inona ny fikasanao atsy ho atsy ? 

Raha ny tetik'asako izao aloha ny hamoaka rakipeo "acoustique" amin'ny hira 10 eo ho eo amin'ny tapaky ny taona 2016. Ny famoahana rakitsary moa mitohy foana hatrany.

 

Fanontaniana farany raha tsy mahadiso, iza moa i Mr Sayda ankoatra ny maha-mpihira azy ?

Tanora kristianina, mpianatra mpikaroka, taona faha-5 amin’ny taranja "Serasera sy Fampandrosoana Ifotony" eny Ankatso izy, mipetraka eny Ampandrana ary tsy mbola manambady. Ny fialamboly tena tiany dia ny mivoaka any amin’ny “Boîte de nuit”, ny mitendritendry gitara miaraka amin’ny namana, ary ny mitsangatsangana mijery tany.

  

Misy hafatra tian’i Misié Sayda ampitaina ve fa efa eto ihany isika ?

Misaotra ireo izay manohana ny zavatra ataoko ary manasa ihany koa ireo izay mbola tsy mahafantatra ahy hanaraka ny sangan'asako. Ireo maniry hahafantatra bebe kokoa na hanatanteraka fiaraha-miasa dia mandray azy ao amin'ity pejiko ity aho : “Mr Sayda - Label RLP

 

 

 

 

 

Rondro Volantsoa