Antananarivo hahazo avara-patana any amin'ny FESPACO 2017.

"Raha nangotraka sy nivaivay tao Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara, tamin'ny resaka politika, i Haminiaina kosa, mpanatontosa sarimihetsika, dia mbola somokotra niady mafy tamin'ny sivana rehetra nahazo ireo horonantsariny nitantara iny raharaha iny". 

Fifamahofahoan'ny tena marina sy ny tantara noforonina momba ny toe-draharaha tamin'ny 7 febroary 2009, izay no votoatin'ity horonantsary fohy an'i Haminiaina Ratovoarivony mitondra ny lohateny hoe  "Antananarivo tiako ianao" ity. 

Anisan'ireo horonantsary fohy (15 mn) hifaninana any Burkina Faso izy ity mandritra ny andiany faha-25-n'ny Festival Panafricain du Cinema et de la Télévision de Ouagadougou 2017 (FESPACO 2017) ny 25 febroary ka hatramin'ny 4 martsa ho avy izao.

Mirary soa sahady hahazo ny loka ambony indrindra e !