Antso Diso

Hanomboka ny alarobia 04 Novambra 2009 ny fandefasana tantara ao amin'ny www.radiovazogasy.com , anisan'ny nanoratra tantara holalaovina amin"izany FX Maha koa indro ny "Tsetsatsetsa tsy aritra momba ny sombin-tantara"

Ny “Antso diso” dia isan’ireo
karazan-dahatsoratra antsoina hoe Sombin-tantara na tantara indray miseho
fahita amin’ny gazety. Hanolorana ity tantara ity dia ny momba ny
sombin-tantara no hasiantsika teny. Inona ny sombin-tantara ? Raha mamadibadika
ny gazety malagasy nanomboka teo amin’ny taona 1910 isika dia hahita
sombin-tantara maro nosoratan’ny kalazalahy teo amin’ny soratra, toa andry
Trezan, Rafanoharana, Rabearivelo, Raharolahy ets ets. Nahaliana ny mpamaky izy
ireny satria fohy ka vetivety dia voavaky, tsy toy ireo tantara mitohy hita
ihany koa amin’ny gazety maro. Raha lazaina amin’ny teny vitsy, araka ny
anarana nomena azy, dia tantara fohy ny sombin-tantara. Io fahafohezany io no
tena mampiavaka azy amin’ny tantara foronina rehetra. Manaraka izany, na noho
izany, dia voafintina ary tokana ny toe-javatra sy toetr’olona ifantohany.
Vitsy ny olona hita ao amin’ny sombin-tantara. Ny teny rehetra ampiasaina dia
samy manana ny lanjany avokoa. Raha ny sombin-tantara malagasy no resahina dia
mikasika ny fomba amam-panao no tena votoatiny, ny fifandraisana ary
fiantraikan’ny zava-misy eo amin’ny tsirairay. Ny “Antso diso” dia mifantoka
amin’ny fitiavana kanefa maro karazana ny lohahevitra hita ao amin’ny sombin-tantara
toy ny fihavanana hita eo anivon’ny fianakaviana ny mpiara-monina. Tsy ny
fihavanana anefa no tena isintonan’ny sombin-tantara ny masom-panahin’ny
mpamaky fa izay manembatsembana io fihavanana io, na ny fitiavana. Ny tsy
fahita andavanandro eo amin’ny fifandraisan’ny olombelona. Fomba samy hafa no
entin’ny mpanoratra maneho izany misy ireo misy somary malahelohelo, misy
mampitaintaina misy kosa ireo somary toa mampitsiky na mampihomehy mihitsy aza.
Izany hoe tsy mampalahelo na 
mamendrofendro avokoa ny zava-mitranga ao anatin’ny sombin-tantara.

Ny mampiavaka ny sombin-tantara amin’ny tantara
foronina koa dia ny fomba entin’ny mpanoratra mamarana azy. Mazana mifanohitra
amin’ny fiandohany no ifaranan’ny tantara. Tsy ampoizina.

Samy hafa ny fijerin’ny mpandalina sy ny
mpanoratra koa anjaran’ny mpamaky ny misintona izay azony sintonina ao amin’ny
tantara vakiny na henoiny.

Endri-pitiavana no hita ao amin’ny “Antso
diso”. Koa raha fintinina ny resaka momba ny fitiavana dia teraka izy, velona
miadana na miady ary maty. Teraky ny sendrasendra izy ary vonoin’ny tsy
ampoizina hatrany na ireo heverina fa fitiavana mari-pototra indrindra aza. 

F-X Razafimahatratra.