ARF Sous les tropiques

ARF
MIFETY? TONGAVA DAHOLO HIARAKA HILANONANA E!!! FA ZAO ANEFA AN, VOAFETRA NY
TOERANA KA VONJIVONJEO!!!

Fa inona moa
zany ARF e?

Ny ARF dia tsinona
akory fa fikambanana fianakaviana malagasy iray, taranaky Rainizafimanga sy
Rasoavelo izay natsangana teto Frantsa tamin’ny taona 2000. Arivo (1000) zao ny
mpikambana voaisa maneran-tany ka ny tanjon’ny fikambanana dia ny
hifaneraserana, hifankalalana ary hifanakalozan-kevitra. Izany dia ny mba
hanaovana asa soa miaraka koa.

Mba ahafahana
manatanteraka ireo tetik’asa ireo anefa dia mila vola ny fikambanana ka izay no
antony anaovanay ity lanona “sous les tropiques” amin’ny 14 novambra 2009 eny
Tournan en Brie ity. Koa dia MANASA ANTSIKA REHETRA HO TONGA E! NA
MPINAMANA NA MPIANAKAVY, TSY OLANA IZANY, TONGAVA DAHOLO! SADY ZAO ANGE, 25€
FOTSINY NY VIDIM-PIDIRANA, EEEEE MIARAKA AMIN’NY TSAKY GASY TSY MISY FETRANY IO
AN!!!!

Raha mila
fanampim-panazavana ianareo dia jereo ny tranon-kala www.rainizafimanga.com na antsoy ireto
nomerao manaraka ireto raha hividy tapakila: Fetra= 06 09 57 18 98, Didier=01 39
80 31 06 aorian’ny amin’ny 7 ora alina na manorata amin’ny
rainizafimangaFR@hotmail.com.

ANY TOURNAN
EN BRIE ZANY MIFANKAHITA E!