Aza miady vintana amin'ny akoho miakanjo

Any avaratr'i Amerika no miseho ny tantara. Nahatsapa ity ramatoa iray, izay efa misotro ronono, ary efa mihinana atody koa angamba, fa tsy mahavokatra firy ny akohovavy rehefa ririnina. Vitsy kokoa ny atody noho ny hatsiaka mafy loatra mamely. Koa dia nahita hevitra izy hampiakanjo ny akohovavin'ny tanàna. Izy ihany no manamboatra ny akanjobà kely hampanaovina ireto akoho. Efa tsy dia manaitra maso intsony amin'izao ny soavaly sy alika miakanjo fa ny akoho kosa mbola tena zava-baovao. Saingy ity nataony ity kosa dia sady haingo no mahasoa.

Izany tokoa no tonga amin'ny fitenenana hoe "Aza miady vintana amin'ny akoho" satria any amin'ny toerana hafa dia betsaka ihany ireo olona izay miaritra ny hatsiaka.