Bagdad United Klan - 306

Manolotra fisaorana feno ny BUK-306, tarika mivoy ny taranja hip-hop, nanaiky hizara amintsika eto amin'ny RadioVazoGasy ity resadresaka ity.

 

 

 

Mpiray-tanàna, mpiara-mianatra, mpinamana avy ao Ambositra no mandrafitra ny Bagdad United Klan. Ny 28 desambra 2008 no nian-tsehatra voalohany ny tarika nandritry ny hetsika momba ny kolontsaina hip-hop iray tao amin’ny tanànan’Ambositra.

Bagdad dia anarana “quartier” iray ao Ambositra (Ambohibary, Manarintsoa). Saiky samy mbola mpianatra avokoa ny mpikambana ao ankehitriny ankoatra ny Manager izay efa nahavita ny fianarany momba ny serasera teny Ambohitsaina.

Mpianatra ho injeniera eny Vontovorona, mpianatra ho injeniera eny amin’ny Agro, mpianatra ho teknisianina ambony momba ny rano, mpianatra momban’ny fitantanana, mpianatra momba ny haino aman-jery…amin’ny ankapobeny dia ireo no mandrafitra ny Bagdad United Klan.

Ny mpikambana :

TOR DJ (Toky Randimbisoa),
Mahmud (Toky AhmadinéDaz) ,
MC Pikla Elmarouck ( Tsiry A.),
Kariim McBenza Dimbiniaina (Benjamin D.),
Kanye Bex (Maharavo Andriamalala),
Glagy (Mandimby Hasina),
MC Toola ( Lato Rakotozafy),
Doola (Mbolatiana M.) ,
Thalos MC ( Tantely R.),
Ton-che (Tsiranto),
Sed'S (Sedera A.),
Lost (Sahina),
Mahary Malik ,
Matikah (Herilalaina),
B-Troox (Berthin Edmon),
Kim (Mifehy).

Miventy ny fiainana andavan'andro izy ireo amin'n rap-ny : fitiavana - na fitiavan'olon-droa izany na ny fitiavana ny reny ihany koa - ny tanindrazana, ny fifaliana sy ny fahoriana, ny fihavanana, sns.

Nandritry ny fankalazana ny faha-5 taonany dia nikarakara hetsika niaraka tamin’i Meizah sy Tsota tao Ambositra ny BUK – 306 ary azo lazaina fa fahombiazana no azo tamin’izany. Taorian’izay dia niroso tamin’ny fanatontosana ny horonan-tsary (Clip) iray tao Antsiraba : RIP (Rest In Peace) no lohatenin’izany. Amin’izao dia eo ampiketrehana ny Clip faha-3 (Mitempo aminao).

 

 

Ireto ny hira sasantsasany efa azonao henoina ao amin'ny RadioVazoGasy : BUK-306

Azonareo tsidihana ihany koa ny pejin'ny mpankafy azy ireo ao amin'ny FACEBOOK