Carmelo, na i Fray Bigotòn, Frera be volombava, sady manana tongotr'efatra any Bolivie.

Ho maro indray ny vontom-pinoana tohina amin'ity kivindro ity wink

Alika, irony antsoina hoe schnauzer irony, i Carmelo. Ny Proyecto Narices Frias, fikambanana mpamonjy sy mpikarakara biby no nahita sy nitsabo azy ary nomeny hotezain'ny Fikambanan-drelijiozy fransiskana, ofm, ao Cochacamba (Bolivie), izay nandray azy tam-pitiavana tokoa.

Ary satria efa manampy isa azy 12 mirahalahy ao amin'ny Fikambanana i Carmelo, dia mba nampitafian'izy ireo ny akanjo sy ny fehikibo tady toa azy ireo koa, fitafy famantarana ny fransiskana. Milalao sy mihenjihenjy no asany, hoy i Fr Jorge Fernandez, fa mitondra fifaliana ho anay tokoa izy ary tianay satria Voaarin'Andriamanitra ihany koa.