Christian Randriamalaza, tsy namotsotra ny anaram-boninahiny.

Voninahitra sy hafaliana ho anay mpiandraikitra ny takelaka Vaovao.org tokoa ny nihaona sy niresadresaka tamin’i Jean Christian Randriamalaza teto Roma androany  1 novambra, mialoha ny hodiany any Frantsa, rehefa avy nandrombaka ny anaram-boninahitra “Tompon-daka eran-tany” eo amin’ny Boxe Chinoise tany Carrare, (Italia afovoany), tamin’ny 29 oktobra lasa teo izy. Anaram-boninahitra fahafito eo am-pelatanana ity ary dia mirehareha mihitsy isika Malagasy ny amin’izany.

Ankoatra ny Fehikibo, izay mijanona tanteraka ho an’izay nahazo azy indroa, dia medaly volamena telo no voan-dàlana nentiny nody : ny voalohany niadiany tamin’ny vesatra latsaky ny 75kg (raha latsaky ny 70kg no tokony misy azy), ny faharoa amin’ny latsaky ny 80kg, ary ny fahatelo eo amin’ny Hatsaram-pitondrantena sy Fahaiza-miady.

Etsy ambany moa ny horonantsary misy resaka niarahana taminy fa ny tena nivoitra tamin’izany, ankoatra ny famintinana fohifohy ny làlana nizorany hatreto, izay azontsika arahana tsara ao amin’ny tranonkala natokana ho azy : JC RANDRIAMALAZA, dia mba tianay ampitaina indrindra ny fahavononany sy faniriany hampita ny fahaizany sy ny traikefa azony amin’ity taranja ity ho an’ny tanora malagasy. Marina, hoy izy, fa manana klioba telo aho ao Frantsa saingy tsy ho an’i Madagasikara akory ny vokatra isasarana ao. Ka mampalahelo raha ny ezaka rehetra vita hatreto, ny anaram-boninahitra Tompon-dakan’i Afrika sy Tompon-daka eran-tany niadiana mafy sy norombahana dia hijanona fotsiny hatreto amiko fa tsy mba hisy taranaka mifandimby hiady izany.

Mba hahafahany miroso amin’izany anefa dia tokony ho matihanina tanteraka izy, ary indrindra mila mpanohana na amin’ny ara-bola na ara-materialy. Satria manko dia mbola amin’ny fitiavana ity taranja ity fotsiny  amin’ny maha fitaizana vatana sy saina azy no anaovany azy hatreto. Izany hoe ny fanazaran-tenany dia ataony rehefa mirava amin’ny asa fivelomany izy. "Mbola anatin’ny tanjako sy ny heriko aho, hoy hatrany i Christian, na somary efa mitombo kely aza ny taona ka izao no tena fotoana tsara araraotina hiatrehana izany raha azo atao."

Ka dia zarainay eto am-pitiavana izay hafany izay sao mba miantefa amin’ny tsara sitrapo sy tia fanatanjahantena, na olon-tsotra, na fikambanana, na ny fitondram-panjakana mihitsy aza.

Izahay kosa dia mamerina ny fandraisan-tànana azy amin’izao fandresena miezinezina izao, ary mirary azy hahavita hatrany mihoatra izay efa nataony hatreto. Ny anarana tsara indrindra efa azony, ananany 7 be izao, fa mino izahay fa mbola misy ny tsara azo trandrahana sy ilofosana.

 

Misaotra indrindra, Christian,  tamin’ny fahatsoranao sy ire ora vitsivitsy foinao – foinareo mivady – ho anay ka nahatontosana iny fihaonana iny. Mirary soa hatrany.