Fanambarana navoakan'ny SefaFi

 

Lahisitè inona ny eto Madagasikara ? [*]

 

Ny alahady 29 janoary, teo amin’ny kianjan’i Mahamasina-Antananarivo, dia nisy lamesa lehibe notarihin’ny Kardinaly Pietro Parolin, sekreteram-Panjakan’ny Fiketrahana Masina. Tonga teto izy noho ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy ny Fiketrahana Masina, ary koa mba hampahafantatra amin’ny mpino ao amin’ny Fiangonana katolika fa miahy azy ireo tanteraka ny ray masina Fransoa.

Saingy nisy trangan-javatra anankiroa mampieritreritra tonga nanamaloka ny ilay fotoana tokony hiantefa any amin’ny atifanahy. Ny voalohany dia ny fahatongavan’ny mpanao politika izay samy tsy katolika velively na ny finoany na ny fihetsiny, voalohany indrindra amin’izany ireo Filoham-panjakana taloha sy ankehitriny. Ny lamesa dia fankalazana litorjika ataon’ny olona vita batemy. Tany amin’ny taonjato voalohany niorenany dia nasain’ny Fiangonana nody izay tsy vita batemy taorian’ny litorjian’ny Teny, ny litorjian’ny sakramenta dia natokana ho an’izay vita batemy ihany. Rehefa miova moa ny fotoana dia miova koa ny fomba. Na izany aza ve dia ho azo araraotina hanaovana hetsika politika ny Eokaristia ? Teo daholo ireo mpanao politika nampahantra fadiranovana ny firenena hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena, na inona na inona finoana arahiny, samy nanao izay hahitana azy tsara daholo : fandresen-dahatra tsy taka-bola ny sarin’ny tena nalaina teny an-toerana, rehefa haparitaka, amin’ny fampielezan-kevitra ho avy. Aoka hotsorina fa tsy finoana velively no nanainga azy ireny hankeny. Hatao inona àry lamesa raha izany ? Ary mba ahoana ny eritreritr’ireo mpino maro be izay tena hivavaka marina no nahatongavany teny ?

Ny trangan-javatra faharoa, raha izany no ilazana azy, dia nanafintohina ny mpino sy ny tsy mpino : « tafintohina ny mpino katolika noho ny fihetsiky ny Praiministra Mahafaly Olivier Rasolonandrasana. Nizotra am-pilaminana tokoa mantsy ny lamesa, saingy nisy hetsika nanintona ny sain’ny olona nasaina sy ny mpijery fahitalavitra nandritra ny fandraisana komonio : nandray ny eokaristia ity olom-panjakana ity, dia namindra vitsivitsy ary nataony am-paosy ilay eokaristia. Masina ny eokaristia ho an’ny katolika, ary io fihetsika io dia heverina ho fanimbazimbana. Izy dia advantista ary tsy tokony ho nandray anjara tamin’io fomba io toy ny nataon’ny hafa » [**]  

Ny olana mipetraka noho izany dia ny momba ny lahisitèn’ny Fanjakana. Midika inona moa ny lamesa, fankalazana an’ny katolika manokana (any amin’ny protestà dia « fanompoam-pivavahana » no tenenina), karakaraina ho an’ny olom-pirenena rehetra ary anasana ny mpanao politika tsy an-kanavaka – na kristiana ny mpikambana ao aminy, na silamo, na tsy mpino, na mpangalatra, na mpanolana, voaheloka na nahazo famotsoran-keloka na tsia ? Manoloana izany, tsy tsaratsara kokoa ve ny mikarakara fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana mifototra amin’ny tenin’ny Baiboly izay hankatoavin’ny maro an’isa ary tsy manery na iza na iza hanao fihetsika manokana ? Misy tenin’i Benoît XVI mety hanampy amin’ny fanazavana ny resaka mba hialana amin’ny fihatsarambelatsihy iombonam-be mahazo laka ao amin’io sehatra io :

« Ny lahisitè madio (...) dia midika ho fanafahana ny finoana amin’ny vesatry ny politika ary fampitomboana hasina ny politika amin’ny alalan’ny zavatra entin’ny finoana, ilaina ny mikolo ny elanelana, atao mazava tsara ny maha samy hafa azy ireo sy ny fiarahamiasa tsy maintsy misy eo aminy. Tsy misy fiarahamonina afaka mandroso marina raha tsy mampanjaka ny fifanajan’ny politika sy ny fivavahana ka miala amin’ilay fakampanahy tsy mitsahatra ny mitady hampifangaro na hampifandrafy ny politika sy ny fivavahana. (...) Ny lahisitè madio toy izany dia miantoka ny tsy hampiasan’ny politika ho fitaovana ny fivavahana, ary miantoka ny hiainan’ny fivavahana am-pahalalahana ka tsy hivesatra politika baikoin’ny tombontsoa, ary indraindray tsy mifanaraka loatra amin’ny finoana, na tena mifanohitra aminy mihitsy aza » [***]

 

 Antananarivo, 4 febroary 2017

SeFaFi
SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA
Observatoire de la Vie Publique
Lot III M 33 K Andrefan’Ambohijanahary, Antananarivo 101
Tél. 032 59 761 62   Email : sefafi@gmail.com   Site Web : www.sefafi.mg

 

 

 

[*] laïcité 
[**] « Fanimbazimbana ny fivavahana katolika », La Gazette de la Grande Île, 1 febroary 2017.
[***] Benoît XVI, Ecclesia in Medio Oriente, 14 septambra 2012.