Fanjakana sy Fiangonana : hitokana ny tsenan-drongony ao Sanfily Toliara ve?

Asa
na dia noho ny fahantrana tokoa na efa tsy fanajana ny fiaraha-monia sy
ny maha-olona fotsiny izao fa dia tena maniry ohatry ny anana ny
fivarotana rongony eto Toliara, ao Sanfily. Tsy vao izao izy io no hita
miseho masoandro tahak’izao fa efa ela. Tsy vao izao koa no misy
lahatsoratra angazety mitantara izany fa efa maro ny namana mpanao
gazety no nanao fanairana. Toy ireny mpivarotra amoron-dalana ireny ry
zalahy mandahatra ny fonon-drongony amidiny. Ny mpividy koa tsy misy
henatra fa efa zatra. Ny tena mahagaga ary nahatonga anay hanoratra dia
ny fahatsapana fa tena efa very fanahy ny rehetra mahita izany. Very
fanahy : asa na lany hevitra na efa tsy te hahalala fotsiny. Tsy misy
tsy mahalala, tsy misy tsy mahita io toerana io fa mandainga izay miteny
tsy mahita izany. Ny iray amintsika mpiara-monina ihany no mpivarotra
sy mpividy ao fa tsy matoatoa na lolo : zanantsika, zandrintsika,
havantsika, raintsika ireny, misy vehivavy koa aza. Kanefa dia misy
polisy, zandary ary miaramila mipetraka amin’io faritra io ary tena
mifanolo-bodirindrina sy mandalo eo isan’andro; araka ny fanadihadihana
natao aza dia polisy mihintsy no tena miaro azy ireo. Tsy mahagaga. Far y
zalahy “force” no tena “clients” matanjaka sady “sécurité” mpiaro. Efa
imbetsaka no hoe hanaovana sava-hao io toerana io kanefa toa very maina
fotsiny satria manjavona tsy hita ry zalahy: madiodio ny
toeram-pivarotana satria efa nahazo fampiomanana mialoha hoe “hidina
izahay fa miala tao”. Dia toy izany foana. Kanefa tadidio fa mitombo
isan’andro ny tanora lasa adala tsy mahazaka ny fifohana io rongony io
ary mampalahelo. Raha tsorina dia tsara toerana tokoa io tsenan-drongony
io. Satria, roampolo (20) metatra miantsinana miala amin’io lalana io
dia misy ny sekolin-dry masera Père Barré izay mampianatra ny ankizy
hanana fiainana ara-moraly sy ara-piaraha-monina mendrika : isan’izany
ny fiarovana azy ireo tsy ho mpivaro-tena sy ho mpifoka rongony. Ry
masera moa noho izany ary mazava ho azy dia monina eo akaiky eo, mifoka
ny fofon-drongony eo isan’andro fa tsy taitra. Manarak’io tsy lavitra
akory fa elanelanin’ny rindrina dia ny fiangonana katolika Sanfily,
Notre Dame de l’Assomption. Ny pretra tao aza moa rehefa mba noresahana
dia niteny fa tsy misy idiran’ny fiangonana izany. Angamba tsy mba
zanak’I Abrahama ireo mpirongony ireo. Eo andrefan’io toerana io ihany
koa, folo metatra eo ho eo indray mbola misy tranon-drelijiozy vavy hafa
izay toa tsy mahita izany akory satria tsara fefy sy tsara hidy. Izany
hoe kartién’ny fiangonana io kartié io, zanaky ny fiangonana no mividy
sy mivarotra io. Saingy tsy manana adidy ary toa tsy mahita an’izany
akory ny fiangonana!  

Tena tsy misy azo atao tokoa ve ny momba ireo
olona ireo ry mpitondra fivavahana? Mahagaga sy mampalahelo. Tsy
lavitr’izany rehetra izany fa eo ampitan’ny ara-be eo, dimampolo (50)
metatra miala ny tsenan-drongony ny tranon’Atoa praiministra teo aloha
Monja Roindefo, kristianina ao Sanfily. Ary tsy aiza fa ao amin’ny
kartién’io fiangonana katolika io ihany koa no mbola misy ny
praiministra ankehitriny Camille Vital, mpivavaka ao amin’io eglizy io
izy ary vao nanolotra “orgue” vaovao sy nanamboatra ny lalana mankany
amin’ny fiangonana sy Père Barré. Kanefa tsy mahita izany
tsenan-drongony tokony hotokanana izany. Lavidavitra kely dimampolo
metatra miankandrefana mbola misy ny hotely “le prestige” sy ny radio
“le buffet” an’Atoa Tinoke Roberto, T.G.V sy CST ankehitrio. Ireo
rehetra ireo tsy misy mahita vahaolana amin’izany.

Tena mahagaga tokoa
raha ny fanjakana sy ny fiangonana katolika, izay hery roa tena
matanjaka eto Madagasikara no tsy mahavita manafoana io tsenan-drongony
io. Ka tsy aleo ary ve raha izany omena alalana mazava ireo mpiantsena
ao ireo fa toa mifanorisory fotsiny amin’ny vahoaka sy amin’ny
mpiara-monina. Manaitra ny mahaolona anareo izahay fa tsy manaitra akory
ny maha mpitondra fivavahana sy fanjakana anareo; satria ny antsoina
hoe olona dia izay rehetra afaka misafidy hanao ny tsara ho an’ny
fiaraha-monina. Fantatray fa tsy raharahanareo izany satria tsy
areti-mifindra mahafaty olona maro, sady mbola tsy nisy nahita koa hoe
mpitondra fivavahana na mpitondra fanjakana nifoka rongony. Izahay
mpanoratra sy mpikaro-baovao ve moa tsy efa mba nanao ny tandrify anay :
milaza ny vaovao!   

‘Najaris