Fantatrao ve ny tarika D'yem ?

Manolotra indrindra ny fisaorana ho an’i Skual, nahafoy fotoana
nitafatafana tamin’ny RadioVazoGasy, mba hahafantarantsika bebe kokoa ny
TARIKA D'YEM.

Toy ny tampoka ho an’ny maro ny nahalalana ity tarika ity,
amin’ilay hiran’izy ireo vaovao hoe “Malala a” izay nahasintona mpihaino maro
dia maro tato ho ato (Horonantsary etsy ambany indrindra ho an’izay mbola tsy nahare azy).

 

Ka mba azon’i Skual lazaina anay ve hoe oviana marina moa no
nitsanganan’ny D’yem ?

Tamin’ny faramparan’ny taona 2012 tany no nivondrona hihira
izahay, mbola tsy D’yem no anarana nentin’ny tarika tamin’izany. Efa naniry ny
hanao zavatra tsara saingy tsy tody satria nanao kinanga avokoa ireo trano
fandraisam-peo sy fandraisan-tsary tamin’izany ka tsy dia nivoaka araky ny
tokony ho izy ny hiranay.

Niato kely izahay teo ka ny taona 2014 vao tafaverina indray
satria nahita trano fandraisam-peo mirary sady tena matihanina tokoa. Ary io
trano fandraisam-peo io no mbola hifikiranay hatramizao. Teo koa no niova ho
D’yem ny anaran’ny tarika.

 

 

D’yem, anarana tsy mahazatra sofina, misy antony manokana ve
ny nisafidiananareo azy io ?

Ny antony ? Mpamaky baiboly DIEM ny tenako – DIEM
fanafohezana ny hoe "Dikan-teny Iombonana
Eto Madagasikara". Ary avy amin’izay no nahatonga ny hevitra nampitondra ny
anarana hoe D’yem. Ny baiboly DIEM mantsy, amin’izay maha dikanteny iombonana
azy izay, dia natao hiombonan’ny finoana samy hafa. Ary tianay koa raha hiombonan’ny Malagasy rehetra ny fankafizana ny hiran'ny D'yem, na ankizy
na tanora na antitra. Izany no imasoanay.

 

 

Iza avy no mpikambana ao amin’ny D’yem ary inona ny ban-kira
tena voizinareo ? Moa ve misy mpihira na tarika – malagasy na vahiny –
mahafinaritra anareo manokana ka nataonareo fitaratra eo amin'ny mozikanareo ?

Mpinamana iray kilasy fahiny sy mpiray tam-po ary
mpiara-mivavaka no mandrafitra ny tarika. Enina izahay no mpikambana : telo lahy
sy telo vavy ; ary izaho, Skual Rakotonirina, no mpamorona ny tonony sy ny feony; indraindray dia manampy ihany i Smick amin’ny famoronana ny feony noho izy mpanao ny “arrangement”-n’ ny mozikanay.

-         

Njaka : mpitendry

-         

Smick : mpanao arrangement ny mozika ary "rappeur" ihany koa

-         

Skual : mpamoron-kira sady "rappeur" 

-         

Youn : mpihira, feo voalohany

-         

Aina : feo faharoa

-         

Jolica : feo fahatelo

 

Rap - RnB no hira matetika hahafantarana anay, izahay anefa
tsy dia miompana be amin’io fa rehefa hitanay fa mamoaka kanto ka talentanay
dia ataonay avokoa. Ezahanay foana no mampiovaova ny zavatra henoin’ny olona
rehefa mihira izahay fa tsy hoe mitovitovy daholo ilay hira. Samy manana ny
mpihira ankafiziny izahay ao anaty tarika. Ao no tia hira “acoustique”, ao no
tia Hip-hop, ao ny tia hira vazaha ary ao no tia hira malagasy. Noho izany tsy
dia misy hoe mpihira ataonay fitaratra manokana fa izahay no miezaka mamoaka
zavatra manokana ho an’ny mpankafy.

 

Hatramin’ny nitsanganan’ny tarika, azonao tanisaina ve ny
hetsika efa nataonareo ?

Nisy hetsika maromaro efa nataon’ny D’yem : seho niarahana
tamin’ny ampahan’ny KopiKole andiany voalohany (ry Yazz, Eminem, sns) teny
amin’ny Saint Louis de Gonzague, Namontana. Teo ihany koa ireo karazana
fifaninana toy ny Tontolo maintso tao amin’ny CGM ary ho an’i Youn manokana dia
ny fandraisany anjara tamin’ny fifaninana “The One” tao amin’ny RTA izay
notohanan’ny tarika.

Ankoatr’izay, dia tao ireo fivahinianana tamin’ny Radio sy Fahitalavitra
samihafa.

 

 

Aiza ho aiza ny famoahana rakikiran’ny tarika, efa misy
nivoaka ka azo jifaina ve sa mbola eo am-piketrehana ianareo ?

Efa namoaka ny rakikira voalohany izay nampitondraina ny
lohateny hoe “IZY NO IZY “ izahay tamin’ny taona 2015. Misy hira sivy ao
anatin’io rakikira io izay tsy mba nivoaka tamin’ny fomba ofisaly akory fa dia
tamin’ny namana sy tamin’ny alalan’ny serasera facebook no nivarotana azy. Ary
dia lany tanteraka izy amin’izao.

Fa ireo izay maniry ny hanana dia manafatra aminay ao
amin’ny pejy facebook: D'YEM GROUPE

Amin’izao fotoana izao dia eo am-panodinana ny rakitsary
indray izahay ary rehefa vita tanteraka izany dia lazaina aminareo eto ihany.

 

Misy hafatra na antso tianareo ampitaina ve ?

Ny tarika D’yem dia tarika mbola tanora, mbola mpianatra
avokoa. Ny fandaniana tsy maintsy ataonay dia azo avy amin’ny fivarotana ny
rakikiranay sy ny tsipaipaikan’ny tarika ihany. Tsapanay anefa fa tsy hahalasa
anay lavitra izany koa miantso ireo “producteur” izahay raha mba hitan’izy ireo
fa mendrika hotohanana ihany ny zava-bitanay e !

 

Mankasitraka indrindra ary mirary anareo hisidina ambony dia
ambony hatrany eo amin’ny tontolon’ny mozika sy ny kanto malagasy.

Eto dia tiana ny mampahatsiahy/mampahafantatra fa i Skual
dia isan’ny manana tononkalo maromaro voatahiry ao amin’ny pejin’ny
vetso.serasera.org