Fiara fitateram-bahoaka vaovao: ho an'ny vahoaka tokoa ve?

Navoakan'ny sampandraharahan'ny fifandraisan'ny fiadidiana ny filohan'ny Repoblika tao amin'ny Facebook ny zoma 17 febroary teo ny fahatongavan'ireo fiara fitateram-bahoaka maoderina. Araka ny filazana dia mahazaka olona 49 izy ity ary ahitana kamerà fanaraha-maso, GPS, fanisana isan'ny mpandeha, famerana hafaingana-pandeha hatramin'ny Wifi. Mbola tsy tena fantatra aloha hoe oviana no hanomboka hiasa ary amin'ny zotra aiza no tena hiasàny fa mipetraka sahady ny fanontaniana sy fangataham-panazavana izay inoana fa hahazo valiny amin'izy ity.

Avy aiza ary an'olon-tokana ve sa an'ny fanjakana ireto fiarabe ireto? Iza no hitantana azy, ny faritra sa ny CUA sa ny fanjakana foibe sa orinasa tsy miankina? Ho an'iza, noho izany, ny tombony ary iza no ho tompon'andraikitra amin'ny fikojakojana azy?

Manaraka izany dia nisy ve sa hisy ny fianarahana sy dinika amin'ireo koperativa mpitatitra efa misy? Hilamina ve ny resaka fifaninanana ara-barotra amin'ireo mpitatitra izay mamelona fianakaviana maro ihany koa amin'izao fotoana izao?

Fivoarana lehibe tokoa ny toa izao ka mety hitondra korontana ara-piaraha-monina izay ilàna fanabeazana tsikelikely.