Google sy ny 50 taonan'ny ankizy mi-kaody

Hafakely ny nankalazan'i Google ny faha 50 taonan'ny fandrindrana kajin'ny ankizy amin'ny informatika. Tamin'ny doodle, na kisarisary, izay nahafahana nilalao avy hatrany no nanaovany izany. Isaky ny misy zava-dehibe mitranga tokoa, mila ho isan'andro, dia marihan'i Google amin'ny sary na horonantsary na kilalao hatrany izany. Koa tamin'ity indray mitoraka ity dia afaka manandrana ity fandrindrana fanaon'ny ankizy ity avokoa ny rehetra. Ny tanjona dia ny mibaiko ilay bitro kely hihinana karaoty amin'ny alalan'ny fanambatambarana biriky izay azo ampitahaina amin'ny baiko informatika. Izany rahateo ny fomba fandrindrana amin'ny informatika saingy amin'ny alalan'ny fiteny na "langage" fa tsy amin'ny kisarisary intsony.

Azo jerena eto https://goo.gl/DcUn9M ny tahiry rehefa tsy misokatra eo amin'ny google intsony.