Hafa noho ny mahazatra : nandihy twerk ireo mpivaro-tena ho fanomezam-boninahitra farany ny 'mpiara-miasa' aminy.

 

Raha "Haka" no mahazatra ny maro raha hanome voninahitra farany olona tsongoim-bolo na nahavita be tamin'ny fiaraha-monina, dia tamin'ny "twerk" indray kosa no nanaovan'ireo namany veloma farany ilay mpivaro-tena tao Harare, renivohitr'i Zimbabwe.

Samy manana ny fomba hiatrehany ny fifandaozana tokoa manko. Ary efa manomboka mihamaro ankehitriny ireo maneho hafaliana amin'ny fotoana toa izao satria dia heverina fa veloma mbola hihaona fotsiny ihany izany ka ny nahafinaritra niarahana no tiana tsarovana kokoa mba hanamaivana ny fisarahana.