Herinandron'ny lamaody any New York : miampanga ny orinasa manery azy ireo hampihena tena ireo modely.

 

Efa fitopolo eo ho eo izao ireo modely nandray anjara tamin'ny fanangonan-tsonia miampanga ny fanerena azy ireo hampihena tena, na hita aza fa miteraka olana ara-pahasalamana izany.

Mialoha ny "Fashion week of New York", dia nandefa taratasy fanairana ny "Model Alliance", fikambanana miaro ny zon'ny modely ao New York, mampahafantatra hatrany ny olana lehibe aterak'ity fomba tsy mahomby amin'ny fanarahamaso ny lanjan'ny modely ity.

Manao antso avo amin'ireo orinasa izy ireo mba hanome vahana ny fahasalamana sy ny fahasamihafana mandritra ireny fampisehoana lamaody ireny. Araka ny fanadihadiana nataon'ny Runway Research manko dia 81% amin'ireo modely dia azo lazaina fa tsy ampy lanja, ka ny 62% amin'ireo dia ny Trano mpiandraikitra azy ireo no mangataka azy hampihena ny lanjany. Ao ireo milaza fa mametra ny sakafo hohaniny, ao ny mihinana indray mandeha isan'andro fotsiny ary ao ny mifady hanina tsotra izao.

Na efa maro aza manko ireo lalàna natao hiaro azy ireo, dia mbola manana anjara toerana lehibe loatra eo amin'ny sehatry ny lamaody ny modely "taribý". Tamin'ny herinandron'ny lamaody tao Paris tamin'ny voalohan'ny volana janoary teo ohatra dia maro ireo modely hita fa tena mahia. 

Soa ihany koa anefa fa efa misy ireo Trano mampilatro ireo andriambavilanitra vorivory nofo, mafonjafonja tsara. Efa maro izy ireny no naharesy ny tsy fahatokisantenany ka mihambo amin'ny toe-batany ananany.