Horonantsary vaovao : De la Sakay à la Carapa

 

Tany amin'ny taona 50' dia fianakaviana roanjato avy tao La Réunion no nangatahana nandeha niasa ny tany tany amin'ny faritr'i Sakay. Roapolo taona taorian'ny ezaka nampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana tamin'io toerana io dia noroahana hiala tany izy ireo tamin'ny vaninandron'ny Tolom-piavotana malagasy tamin'ny 1975.

Nanandrana namerina ilay traikefa tamin'izy ireo ny manampahefana frantsay. Mbola fambolena sy fiompiana ihany, tany Guyane, nanamorona ny reniranon'i Carapa saingy dia tsy nahomby loatra izany.

Izay no tantaraina amin'ity horonantsary vaovao notontosain'i Olivette Taombé miaraka amin'ny Laterit Productions ity. 52 minitra mampitamberina ny sedra sy fifikiran'izy ireo amin'ny tany (fanajariana ny tany), na malagasy na frantsay na kiriolona.