Ireo 'Kintan'i Kibera'.

 

Tantaran'ireo ankizy mitozo mianatra ny dihy klasika ao Kibera, faritra atsimon'i Nairobi, renivohitr'i Kenya izy ity. Ny hahalalana an'i Kibera dia noho izy tanàna tsizarizary isan'ny lehibe indrindra ao Afrika, ary lehibe tao amin'io toerana io i Mike Wamaya, izay isan'ny tafita tamin'ity taranja ity ka nanolo-tena hanampy ireo zaza ao. Tsy manana ny enti-manana ho an'izany anefa izy fa ao kosa ireo Fikambanana anglisy manampy azy dia ny Anno's Africa sy ny One Fine Day izay mikendry indrindra ny fampandrosoana ny fampianarana zavakanto ho an'ny ankizy.

 

Indray mandeha isan-kerinandro ny lesona. Avoaka ny dabilio anaty efitrano fianarana rehefa mirava ny sekoly, esorina ny loto dia raikitra ny fianarana sangondina sy tsingintsingy sy ny sisa. Tsisy gorodona, tsisy tsivalankazo fihazonana, tsisy kiraro fa ny finiavana hianatra no zava-dehibe. Ireo miezaka mafy sy havanana dia mahazo vatsim-pianarana mamonjy sekoly manokana momba ity karazan-dihy ity any Karen, tanànan'ny mpanankarena ao an-drenivohitra keniana ihany.