John Oabmar, talenta... tsisy ohatr'izany

 

Raha tsy diso ny fitadidiako dia tany amin’ny faramparan’ny 2014 tany no nahalalako an’i John Oabmar tao amin’ny pejin’ny mpankafy anao, ao amin’ny tambazotra Facebook. Avy dia nahasarika tsisy ohatr’izany (toa ny lohatenin'ny iray amin'izy ireo)  ny mozikanao. Rehefa nodinidihana ilay pejy, navadibadika ilay anarana dia toa milaza fa zanaka mpanakanto i Oabmar, efa nianoka mozika hatramin’ny fahakely ka avy dia hita taratra ny talenta.

Ka mba azonao lazalazaina ny mpihaino an’onjampeo sy mpanaraka ny pejin’ny RadioVazoGasy ve hoe iza marina moa i John Oabmar, ary nanomboka oviana no tena nirotsahany teo amin’ny tontolon’ny mozika ?

Voalohany indrindra dia Malagasy aho. Tia mozika ary tia manaraka ny tontolon’ny famokarana sy famoronana ny mozika efa hatry ny ela. Nijerijery ny namana nanao mozika teny foana aho hatramin’izay. Dia mba nianatra tsikelikely. Taty aoriana tapa-kevitra fa mba hamokatra ihany koa. Dia eto am­-piandohan’ny famokarako isika ‘zao (tsiky).

 

Ianao avokoa ve no manoratra sy mandrindra ny feon’ireo hiranao hatrizay ? Mihira sady mitendry zavamaneno ve ianao sa manana ny mpitendry manaraka anao ?

Izaho irery ihany no mamorona sy mamokatra ary mihira sy mitendry ny mozikako rehetra hatramin’izao. Mino aho fa mivelatra tsikelikely ny zava­drehetra, ka tsy maintsy hiara-­hiasa amin’ny namana mpitendry sasany ihany aho ao aoriana ao.

 

Inona ny karazan-­kira voizinao ? Misy mpanao mozika mahasarika anao manokana ve ka nanahafanao ny mozikanao ?

Alternative Rock no karazan­-kira tena tiako imasoana. Eny an­tsefantsefany eny nefa dia misy hira voaforoko kanefa tsy voatery ho ao anatin’io karazana nofinidiko io. Ohatra amin’izany ilay hoe ‘Mangatsiaka’. Aza anontaniana aho hoe “nahoana ?” fa dia ‘Hira Tsotra’ no nataoko fiantso azy (hehy). Tsy fantatro ny antony. Ao anatin’ny Alternative Rock, dia mikaroka manokana momba ny Indie pop koa aho.

 

Fialamboly sa efa resaka matihanina ny mozika aminao ?

Tsy haiko loatra. Ny ahy iainako. Ilaiko toy ny rivotra. Na ny lafiny maha fialamboly azy, na ny lafiny maha-asa azy (matetika dia asa be atao mandritra ny ora/andro maro ny famokarana sy ny famoronana) dia samy ilaiko mba ahitako fitoniana eo amin’ny fiainako. Sady adidy ihany koa satria io no anisan’ny talenta ananan’ny tena.

 

Azo fantarina ve hoe tokony ho firy eo ho eo ny hira efa voasoratrao sy voahisy feony ? Dia firy isanjato amin’izay ny efa napariaka ho ren’ny daholobe ? Efa namoaka rakikira ve ianao sa mbola eo am-­piketrehana ?

Mbola vitsy kely ny hira voaforoko. Tsy mora afa-­po koa aho matetika ka, indraindray, na dia efa mandroso aza ny famoronana an’ilay hira dia adaboko tampoka. Dia lasa aho maka pejy fotsy iray vaovao. Be dia be noho izany ny tapa-­kira ao amiko ao (hehy). Izany hoe, raha iverenako ny fanontanianao dia, eo amin’ny sivy eo na folo ny hira voaforona hatreto. Ny dimy no efa miparitaka, ny dimy ambiny hamenoana ireo dimy voalohany mba ahafahana mamoaka ny rakikira voalohany.

 

Manana fiaraha­miasa amin’ny artista hafa ve ianao sa mandeha irery aloha hatreto ?

Hatreto aloha dia mandeha irery foana. Ho hita eo ny tohiny.

 

Misy ve hetsika kasainao hatao ato ho ato (fiakarana an-­tsehatra, fitetezam­-paritra, sns), na tetikasa ho an’ny hoavy ?

Efa tsy andriko izay iakarana an­-tsehatra. Nefa mbola ho lava ny làlana vao ho tody amin’izany. Maika be aho hifampizara hasambarana amin’ireo mpanaraka ahy kanefa izay fotoana izay mbola tsy voafaritra hoe rahoviana.

 

Misy hafatra manokana tianao ampitaina ve ?

Eny, misy tokoa. Ary ity ihany ilay hafatra efa nentiko tao anatin’ilay tetikasa Project Smile Africa – Madagascar izay tantanan’ny namako Rija Tahiana : Samy mahita isika fa maloky ny haratsiana i Madagasikara. Fomba roa ihany nefa no ahafahana manaparitaka ny fahazavana : na ianao no lasa labozia manazava, na ianao no fitaratra manaparitaka ny hazavana avy amin’ny hafa (i Edith Wharton no nindramiko teto). Andao ary isika hifampitsinjo ary hifampitarika sy hifanampy. Mila mihetsika ny tsirairay, mba ahafahana mihetsika miaraka. Mila trandrahana sy ampiasaina ny talenta rehetra izay ananana mba hahafahana manatsara ny tany. Efa ao anatintsika ao ny zavatra rehetra ilaina amin’izany. Ny fanapahan­kevitra sisa no mila raisina. “Izay mitambatra [ihany no] vato”.

 

Rohy isan-­karazany ahafahanao manaraka an’i John Oabmar :

Facebook : http://smarturl.it/oabmarFB
Youtube : http://smarturl.it/oabmarYT
Instagram : http://smarturl.it/oabmarINSTA
Twitter : http://smarturl.it/oabmarTWT
Soundcloud : http://smarturl.it/oabmarSOUND

 

 

 

Rondro Volantsoa